Asa mendrika : Hifanohana ny MTEFOP sy ny FMFP hanamafy ny fampiofanana arak’asa ho an’ny tanora
Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa stratejika ny minisiteran’ny asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana (MTEFOP) sy ny Fonds Malagasy de Formation Professionnelle (FMFP). Tanjona amin’izany ny hanome fahafahana ny Malagasy tsirairay hahazo asa mendrika amin'ny alalan'ny fampiofanana ho matihanina. Tohanan'ny Vondrona Eoropeanina (UE) sy ny masoivohon'ny fampandrosoana frantsay (AFD), ity hetsika ity.
Mikendry indrindra ny hampifanaraka ny fanomezana fiofanana amin'ny zava-misy eo amin'ny tsenan'ny asa.
Tombony ho an’ny tanora sy ny orinasa madinika
Tafiditra ao anatin’ny vina politika amin’izao fotoana izao, izay mikendry ny fanatsarana maharitra ny sehatry ny asa eto Madagasikara ity fiaraha-miasa eo amin’ny MTEFOP sy ny FMFP ity. Isan’ny hisitraka ny tombony amin’izany ny tanora tsy an’asa, ny orinasa madinika sy salantsalany ary ny kaoperativa sy ireo mpiasa ao aminy. Araka izany, hanamafy ny fahaiza-manaon’ny mpiasa ny fifanarahana. Hanome fiofanana mifanaraka amin'ny filan'ny tsena ho an’ireo mpisitraka ireo ny FMFP. Amin’ny alalan’io rafitra io, ny Fanjakana dia mikasa ny hanofana tanora maro ho matihanina sy hampiroborobo ny toekarena eto an-toerana.
Fiofanana hanomanana hoavy maharitra
Nohamafisin’ny minisitra Hanitra Fitiavana Razakaboana nandritra ny lahateniny fa ity tetikasa ity dia ahafahan’ny tanora misafidy fiofanana mifanaraka amin’ny tena filan’ny orinasa. Nasongadiny ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fanofanana ho matihanina, indrindra amin'ny fiandrasana ny mety ho olana amin'ny fifanarahana ara-barotra sasany. Araka ny nambarany, ny fanofanana arak’asa no fanalahidin’ny fiovana asa na ny « reconversion professionnelle » sy ny fananganana rafitra ara-toekarena matanjaka kokoa, indrindra hoan’ny tanora.
Araka izany, tanjon’ity fiaraha-miasa ity ny mba hiantohana ny ho avin’ny asan’ny tanora ho mari-toerana hatrany, na miova asa izy na mijanona eo amin’ny toerany amin’izao.