Ireo sakafo tsy tsara hoanina aorian’ny amin’ny 7 ora hariva
Rehefa aorian’ny amin’ny 7 ora hariva ny vatana dia mihena ny fiasany ary lasa somary miasa mafy ny taova fandevonan-kanina. Misy karazana sakafo sasany mety hanakorontana ny torimaso, saro-devonina na koa hampatavy. Andeha ary ho fantarina ireo sakafo sy zava-pisotro tsy dia tsara hoanina sy sotroina intsony aorian’ny amin’ny 7 ora hariva.
Ny « charcuteries » noho izy masira sy matavy loatra
« Saucisson », « mortadelle », « lardons »… masira be loatra sy be « graisses saturées » ny ankamaroan’ny « charcuteries ». Somary ela kokoa izy ireny vao levon’ny taovam-pandevonan-kanina. Rehefa aorian’ny amin’ny 7 ora hariva no mihinana azy ireny dia vao maika miasa mafy kokoa ireo taova amin’ny fandevonana azy. Izany dia mahatonga fahatsapana mikorontana sy mangotika ao amin’ny kibo. Mety ho tapa-tory mihintsy ary satria tsy mahazo aina na lasa te hisotro rano.
Ny kiendiendy
Ireo karazana kiendiendy toy ny ovy nendasina, akoho nendasina, ny mofomofo… dia manavesatra ny aty ary mampaharitra ny fandevonan-kanina. Lasa tsy afaka maka aina araka ny tokony ho izy ny vatana raha hoanina aorian’ny amin’ny 7 ora hariva ireny karazana sakafo ireny satria voatery miasa ela kokoa ireo taova fandevonan-kanina.
Ny zava-pisotro mamy loatra sy misy « gaz »
Na dia « light » na hoe tsy misy siramamy ary ireny zava-pisotro misy « gaz » ireny dia mbola mampizihitra ny vavony foana ihany ary mety mahatonga « reflux acides ». Ankoatra izy dia mety hanakorontana ny « microbiote intestinal » ny fisian’ny « édulcorants » ao anatin’izy ireny. Ny tsara dia rano tsotra asiana silaka voasarimakirana kely na dite « camomille » nomamiana tantely no sotroina raha tena mangetaheta rehefa aorian’ny amin’ny 7 ora hariva.
Ny kafe sy ny dite misy « caféine »
Manana fiasa « stimulant » na hoe manaitaitra ny kafe sy ny dite misy « caféine ». Noho izay antony izay no tsy tsara hisotroana azy ireny intsony rehefa hariva, indrindra rehefa aorian’ny amin’ny 7 ora hariva. Mety tsy mampahita tory izy ireny na haharatsy torimaso ka manakana ny atidoha sy ny vatana mba haka aina. Azo asolo azy ny ronono mafana nasiana tamotamo kely.