• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Elenature
Image
Fahalalana Ankapobeny

Volo miloko : ireo torohevitra hikolokoloana azy amin’ny andavanandro

08/05/2025 13:36 © Moov.Mg

Fomba iray isan’ny mahomby indrindra raha te hiova endrika ny fandokoana ny volo. Matetika nefa misy singa simika mahery ao anatin’ny lokom-bolo ka mora manimba ny volo. Mety ho lasa makiana sy vakivavy ny volo, lasa miova toy ny vasoka ilay lokony… Mba hisorohana izany ary dia atoro eto ireo torohevitra hikolokoloana ny volo miloko amin’ny andavanandro.

Mampiasa vokatra fikarakarana volo natokana ho an’ny volo miloko

Lasa marefo kokoa ny volo miloko noho ireo singa simika ao anaty lokom-bolo tafiditra ao anatiny. Noho izany dia mila fikarakarana manokana izy reny mba hiarovana azy tsy ho makiana sy tapatapaka, ary hitazomana ny lokony tsy ho vasoka. Ny fampiasana vokatra fikarakarana volo natokana ho an’ny volo miloko no isan’ny fomba voalohany manampy amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny volo miloko. Izany hoe shampoing », « après-shampoing », « masque », « sérum »… natokana ho an’ny volo miloko no ampiasaina amin’ny andavanandro. Efa voafantina manokana ireo akora ampiasaina amin’ireny vokatra ireny mba hamaly ireo filan’ny volo miloko.

Tsy atao tratry ny hafanana be loatra ny volo miloko

Mba hikolokoloana ny fahasalaman’ny volo miloko sy mba hampaharitra ny lokom-bolo dia tandremana tsy atao tratry ny hafanana be loatra ny volo nolokoina vao haingana. Raha manao volo aorian’ny nandokoana azy dia tsy atao mamay loatra ny hafanan’ny « brushing » na ny « fer à lisser » ampiasaina. Vao maika mamparefo ilay volo miloko ny hafanana be loatra ary mety hanimba azy kokoa. Ankoatra izay dia mila ferana ny fitaniana andro satria ny « rayons UV » dia mety hanimba ny lokon’ilay volo ary hahatonga azy vao maika marefo.

Tsy sasana matetika loatra ny volo

Raha te hikolokolo ny fahasalaman’ny volo miloko dia fadiana ny manasa loha matetika loatra. Rehefa sasana matetika loatra ny volo dia miala ny menaka natoraly miaro ny singam-bolo ka mahatonga ireto farany mora andairan’ny « agressions extérieures ». Raha ny tokony ho izy dia indray mandeha isan-kerinandro ihany fara fahabetsany no manasa loha. Rehefa manamaina ny volo avy eo dia tsy kosehana amin’ny servieta fa avela fafana moramora ary avela ho maina amin’izao na hamainina amin’ny « séchoir » amin’ny rivotra mangatsitsiaka.

Lire la suite

Articles Similaires