• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Pass Rome
Image
Vaovao

Fifidianana Papa Ray Masina : Miandry setroka fotsy ny rehetra

08/05/2025 11:16 © Moov

Mitodika any Vatican ny mason'izao tontolo izao. Fifidianana iray no nanombohana ny "Conclave" omaly, ka setroka mainty aloha no nivoaka. Rehefa mamoaka setroka fotsy ny famoahan-tsetroky ny Chapelle Sixtine vao voafidy ny Papa Ray Masina vaovao, hanolo ny Papa François sady Dimbin'i Masindahy Piera. Ho lasa mpitondra ny fanjakan'i Vatican ihany koa izay Papa voafidy, na inona na inona ny zom-pirenena ananany na firenena niaviany.

Fifidianana 4

Manomboka androany 8 may, 4 isan'andro ny fifidianana : 2 maraina ary 2 hariva. Rehefa misy Kardinaly mahazo ny roa ampahatelon'ny vato dia tapitra ny fifidianana, ka voasafidy amin'ny fomba ofisialy izany ny Papa vaovao. Omaly, fanombohana, dia iray ihany ny latsa-bato natao. Amin'ity andro faharoa ity, manantena vokatra ny olona an-tapitrisany manerantany. Mpino katolika maherin'ny 5 alina no miantsona manoloana ny Chapelle Sixtine, eo amin'ny Kianja Masindahy Piera, miandry ny vokatra sady mitondra am-bavaka ny fifidianana. Maro ireo efa niomana amin'ny sakafo sy ny fitafiana mafana ary ny fatoriana mba haharitra eo an-toerana, mandra-pahazo vokatra.
Tsara ny manamarika fa raha tsy misy voafidy ao anatin'ny hateloana dia mijanona kely indray andro ny fifidianana. Vita izay dia miverina tahaka ny mahazatra indray ny fifidianana.

Fampahafantarana ny Papa vaovao

Rehefa voatonona ny anaran'ny Papa lany dia mitokam-bavaka izy sady misafidy izay anarana entiny. Tsy ny anarany ao anaty kopia araka izany no hitondrany an'i Vatican sy ny fiangonana katolika manerantany. Matetika dia anaran'olo-masina mpiaro na nanamarika manokana no safidian'ireo Kardinaly lany Papa. Efa vonona moa ny fanamiana hosaloran'izay ho lany Papa. Efa misy refy telo samihafa ny akanjo ao amin'ny "Chambre des larmes", ka izay mety amin'ilay Papa vaovao no anaovany. Rehefa vita izany dia aseho vahoaka ilay Papa vaovao.

Lire la suite

Articles Similaires