Fitsaboana : Fandidiana maimaimpoana ho an’ireo sima sy manana takaitra navelan’ny fahamaizana
Manatanteraka hetsika fandidiana sima sy takaitran’ny may eny amin’ny Hopitaly Miaramila CENHOSOA, ny HIS Foundation. Efa nanomboka ny 5 may teo, izy io ary hitohy hatramin’ny 17 may izao, ary maimaim-poana tanteraka.
Andiany faha-11
Fiikambanana Kristianina sinoa mpanao asa soa ao amin'ny CENHOSOA ity HIS Foundation ity. Efa miditra amin’ny andiany faha-11 izao ity hetsika karakarain’izy ireo ity. Miompana indrindra amin'ny fandidiana ireo ankizy sahirana manana fahasembanana eo amin'ny molotra na ati-vava ary ireo manana fahavoazana sy fahasembanana amin'ny tongotra sy tanana na misy takaitra noho ny fahamaizana, ny asa tanterahina.
Miara miasa akaiky ireo mpandidy avy amin'ity fikambanana ity sy ireo mpitsabo eo amin'ny Hopitaly Miaramila, tarihin'ny Mpitsabo Kolonely Ramangason Jacques Adrien, izay Chef de service chirurgie maxillo-faciale, amin'ny fanatanterahana izao iraka izao. Ankizy miisa 7 no efa niatrika fandidiana hatramin'izao. Vinavinaina ny hitsabo ankizy hatramin’ny 30 eo ho eo, mandritra ireo roa herinandro ireo.
Marihina fa zava-dehibe ho an’ny malagasy maro an’isa ny hetsika maimaim-poana toy izao. Ankizy malagasy maro no miaina miaraka amin’ireo tsy fahatomombanana sy takaitra ireo. Olana amin’ny fitsaboana anefa ny tsy fisian’ny enti-manana. Ny hetsika toy izao no tokony karakaraina matetika, hamonjena ireo ankizy ireo.
Fanolorana fitaovana
Ankoatra ny fandraisan' ireo Sinoa anjara amin'ny alalan'ireo mpandidy dia misy ihany koa ny fitaovana natolotry ny fikambanana Kristianina misy azy ireo. Entina manatanteraka izao iraka atao eto Madagasikara izao, hatrany ireo. Araka izany, nohamoraina ny fanatanterahana ny hetsika mba hampihena ny vola miala isan-karazany.
Mijery akaiky ny fizotran'ny fandidiana ny Tale teknika eo anivon'ny Hopitaly, ny Mpitsabo Jeneraly Randriantsara Iharijaoniaina Joe amin'ny fahalavorarian'izao iraka izao. Marihina fa tafiditra ao anatin'ny fampiharana ny toro-marika avy amin' Andriamatoa Jeneraly Minisitry ny Foloalindahy amin'ny fanarahana ny politika ankapoben'ny Fanjakana miompana amin'ny maha-olona ihany koa izao hetsika izao.