• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Tontolon’ny asa : Ampiana hitady asa ny tanora amin’ny alalan’ny Salon de l’emploi et de la formation des métiers

09/05/2025 10:35 © Moov

Tanterahina eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina hatramin’ny rahampitso sabotsy ny hetsika « Salon de l’emploi et de la formation des métiers ». Hetsika entina hanomezan-danja ny tanora sy hanampiana azy ireo amin’ny fitadiavana asa izy io. Orinasa maro no mandray anjara amin’izany, izay manolotra asa avy hatrany ho an’ny sasany ; raha fampiofanana kosa ho an’ny hafa.

Fanohanana ny tanora

Raha ny tatitry ny « Afrobarometer Round 10 » izay nivoaka ny 13 febroary lasa teo dia manodidina ny 42% amin'ny tanora malagasy 18-35 taona no tsy an'asa ary mitady asa amin’izao fotoana izao. Goavana araka izany ny fanamby hahafahan’ny tanora mivoatra amin’ny alalan’ny fahazoana asa mendrika. Hanampiana azy ireo indrindra no antom-pisian’ity hetsika karakarain’ny Blessing Event ity. Orinasa maro no mandray anjara ao anatin’izany, toy ny Ariane études, ny Solync sy ireo maro hafa. Misy avy hatrany ny resadresaka eo amin’ireo tanora mitady asa sy ireo mpampiasa.
Ny mpampiasa manoka-baravarana, vonona handray mpiasa avy hatrany ; ny mpitsidika kosa afaka mitondra atontan-taratasy takiana amin'ny fidirana miasa, toy ny CV. Maro karazana ny asa azo trandrahina eny an-toerana ary hanamarika kokoa izany ny tolotr’asa momba ny informatika sy ny fahaizana tenim-pirenena vahiny.

Fampiofanana sy torohevitra

Ankoatra ny fitadiavana asa anefa dia efa azon’ny tanora mbola tsy mitady asa, atao, ihany koa ny maka fahalalana momba ny sehatry ny asa. Misy amin’ireo orinasa ireo ihany koa mantsy no manolotra torohevitra sy fampianarana isan-karazany, hahafahana miomana amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny asa sahady. Hanampy ireo tanora ireo amin'ny fanapahan-kevitra horaisiny ho an’ny hoaviny sy hanamora ny fidirany amin’ny tontolon’ny asa, izany.
Ao anatin’izany dia mandray anjara ireo ivon-toeram-pampiofanana, izay an’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Hampahafantarina ireo mpitsidika ny tolotra fampiofanana misy amin’ireo toerana ireo. Isan’izany ny LTPGCM Mahamasina sy LTA Ampefiloha izay miandraikitra ny fampiratiana eny an-toerana, omaly sy androany. Ny sabotsy kosa dia ny LTP Alarobia sy LTC Ampefiloha no manohy ny hetsika.

Lire la suite

Articles Similaires