• Cours de change
  • 5027.16 AR
  • |
  • $4514.42 AR
Copyright Image : © A.D.N
Image
Vaovao

Festival Riziky : Hitrandrahana ireo tanora manan-talenta avy any avaratsy ny Nosy

14/05/2025 15:38 © Moov.Mg

Hotanterahina any amin’ny tapany Avaratr’i Madagasikara ny andiany voalohany amin’ny « Festival Riziky ». Hetsika ara-kolontsaina karakarain’ny Live Prod izy ity, izay manana tanjona ny hanondrotana ireo mpanan-talenta avy any amin’iny faritra iny.

Vintana ho an’ireo tanora

Maro ireo tanora manana talenta any anivon’ny Faritra any, saingy tsy misy mpahita, satria tsy manana fahafahana ny hampiseho izany talentany izany ho hitan’ny besinimaro. Te hanome vintana ireny tanora ireny ny Live Prod, antony nanomezana ny anarana hoe : « Riziky », ho an’ity hetsika ity, satria ny « riziky » dia teny mitovy hevitra amin’ny hoe : « vintana ». Araka izany, hanokatra sehatra, hahafahan’ireo mpanan-talenta maneho ny fahaiza-manaony ny Live Prod. Mety ho mpihira izany, nefa mety ho mpandihy ihany koa, araka ny fanazavan-dRalalarison Tantely, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Live Prod. Izay maharesy lahatra amin’izy ireo, dia ho entin’ity trano mpamokatra sy mpikarakara lanonana ity amin’ny sehatra avo kokoa. « Tahaka ireo mpihira hafa miara-miasa aminay, dia hamokarana hira sy raki-tsary izy ireo ary misy ho ampidirina ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fitetezam-paritra karakarain’ny Live Prod », hoy Ralalarison Tantely.

Fisarihana lehibe

Daty miisa 15 no hanatontosana ny « Festival Riziky », any amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny, dia any Antsiranana, Sambava, Andapa, Vohémar, Antalaha, Ambilobe, Ambanja ary Nosy Be. Mandritra ireo fotoana hanatanterahana ny « festival » ireo, dia hisy fisarihana, « Tombola » lehibe, karakarain’ny Yas Madagascar, izay mpanohana ity hetsika ara-java-kanto ity. Hizara roa izany « tombola » izany, ka ireo iza efa mpanjifan’ny Yas dia efa mandray anjara avy hatrany amin’ny fisarihana, isaky ny manjifa tolotra Yas manomboka amin’ny 1.000 Ar. Raha vao hividy « puce » Yas kosa, dia mahazo tapakila avy hatrany, hahafahana mandray anjara amin’ny fisarihana. Maherin’ny 300 isa no hahazo loka, araka ny fanazavan-dRakotomanana Michael, tomponandraikitra ao amin’ny Yas Madagascar. Isan’ny loka lehibe mety ho azo, ny fahitalavitra « écran plat », « finday », « moto cross »…

Ho « bôjo » avokoa ireo fampisehoana hotanterahin’ireo mpanan-talenta avy any Avaratra ireo. Hisy handray anjara amin’ny hetsika ihany koa ireo mpanakanto masoivohon’i Yas, araka ny fanazavana avy amin’ny mpikarakara.

Lire la suite

Articles Similaires