Andron’ny Sampana famokarana nasionaly: Hetsika hanandratana sy hampiroboroboana ny vokatra malagasy
Hotanterahina eny Mahamasina, ny 16 hatramin’ny 18 mey izao ny hetsika « Andron’ny Sampana famokarana nasionaly (Journées des Branches de Production Nationales). Araka ny anarany dia hetsika natao hanandratana ny vokatra nasionaly izy io. Ny ANMCC na rafitra miandraikitra ny fepetra fanitsiana ara-barotra, eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra (MIC), no mikarakara izany.
Tranoheva 84, orinasa 70
Manankarena orinasa mamokatra vokatra tsara, vita Malagasy i Madagasikara, indrindra ireo orinasa mbola tsy be mpahafantatra. Entina hampahafantarana azy ireo sy ny vokatra vokariny tsiraray ity hetsika ity. Ahitana tranoheva miisa 84 avy amina orinasa mpamokatra eto an-toerana miisa 70 ny hetsika.
“Vita Malagasy, tiako ka arovako” no teny filamatra entin’ny ANMCC amin’ity hetsika ity. Kendrena amin’izany ny hanentana ny malagasy hanjifa ny vokatra vita gasy sy hiaro azy ireny. Hanome lanja ihany koa ny orinasa malagasy, izay efa manana ny toerany lehibe ara-ekonomika.
Ho hita eny an-toerana ireo vokatra nisitraka fiarovana manokana avy amin’ity rafitra ity, hoy ny Tale jeneralin’ny ANMCC. Manamarika ihany koa izy fa efa tomombana tanteraka ny fikarakarana rehetra.
Fampirantiana, fihenam-bidy ary tombola
Natao ho an’ny rehetra ny hetsika. Ankoatra ny fanolorana sy fampahafanatarana ireo vokatra indostrialy vita Malagasy, dia ho feno ihany koa ny fandaharam-potoana mandritra ny telo andro. Ho afaka hisitraka fihenam-bidy manokana ireo mpitsidika, sady handray anjara amin’ny kilalao sy fanentanana toy ny tombola, atrikasa ary fampisehoana hanehoan’ny mpanakanto malagasy ny talentany.
« Ny fividianana vokatra vita Malagasy dia endrika iray fanohanana mivantana ny indostria sy ny toekarena nasionaly », hoy hatrany ny avy ao amin’ny ANMCC, ka hanentanan’izy ireo ny fahatongavana eny an-toerana.