Papa Léon XIV : Sorona Masina lehibe fandraisana ny kardinaly Ray Masina faha-267
10 andro aorian'ny nahalanian'i Mgr Robert Francis Prevost ho Papa faha-267, androany alahady 18 may no andraisan'ny mpino katolika manerantany azy amin'ny fomba manetriketrika.
Ny 8 may lasa teo no nahazo Papa Ray Masina vaovao ny Eglizy Katolika, sady nahazo ny mpitondra azy i Vatican. Tsy iza izany fa ny Papa Léon XIV. Androany no tanterahana ny Sorona Masina lehibe, ho fandraisana azy araka ny fombam-piangonana.
Fizotry ny fotoana
Hanomboka ao amin’ny Basilika Masindahy Piera ao Vatikana ny litiorjia. Hidina any amin’ny fasan’i Masindahy Piera ny Papa, miaraka amin’ireo Patriarka avy amin’ny Fiangonana Tatsinanana. Misy ny procession avy eo mankeny amin’ny tokotanin ny Bazilikan'i Masindahy Piera. Diakra no mitondra ny pallium,ny peratra mpanjono ary bokin’ny Evanjely mihazo ny otely izay efa voaomana eo an-tokontany. Eo ivelany moa efa vory lanona ireo Kristianina, olom-piangonana sy olom-panjakana maro.
Zavatra roa no atolotra ny Papa Léon XIV amin'ity androany ity :
-Ny "pallium", akanjo litorjika vita amin’ny volon’ondry. Fehikibo manify mipetraka eo antsoroka ambonin’ny chasuble izay voaravaka Lakroa mainty vita amin’ny landy. Ny arseveka koa manao azy io.
-Ny "anneau du pecheur", peratra mpanjono, mari-pamantarana manokana azon’ny Papa amin’ny fanombohany amin’ny fomba ofisialy ny fitondrany. Izy io dia aseho amin’ny endriky ny jono sy ny sambo. Ho toy ny pallium, hatolotra ny Papa mandritra ny lamesa izany, rehefa avy mamaky ny Evanjely.
Ho vakiana amin’ny teny espanola ny vakiteny voalohany, amin’ny teny italianina ny salamo, amin’ny teny anglisy ny vakiteny faharoa Ary ho vakiana amin'ny teny grika sy latina ny Evanjely. Ny ranombavaka kosa dia amin’ny fiteny dimy portogey, frantsay, arabo, poloney ary sinoa.
Fiadanana sy fanaovan-tsoa
Ny fampitsaharana ny ady manerantany no tena imasoan'ny Papa Léon XIV. Manohy ny ezaka fampihavanana izay efa nataon'ny Papa François ny tenany, mba hisitrahan'ny rehetra ny fiadanana.
Tsiahivina hatrany fa ny Papa Léon XIII dia maherifo niady ho an'ny zon'ireo mpiasa nahita fijaliana. Izy no nahita ireo hevi-dehibe hijanonana eo anelanelan'ny sosialisma sy ny kapitalisma. Heverina fa noho ny herimpo sy ny ady ho an'ny rariny nataon'ny Papa Léon XIII no nahatonga an'i Mgr Robert Francis Prevost nisafidy ny anarana hoe "Léon XIV".
Mahafoy ny karamany anaovana asa soa ihany koa ny Papa Léon XIV. Lesona tsara noraisiny tamin'ny Papa François ny fanaovan-tsoa sy ny fiainana tena tsotra. Nambaran'ny Papa vaovao fa manana izay ilaina rehetra izy, na sakafo na akanjo na trano itoerana. Ohatra tsara ho an'ireo mpitondra fivavahana rehetra tokoa izany, indrindra ho an'ireo mpitarika aty Afrika.
Fanambadian'ny lahy sy vavy
Hatreto aloha, ny mikasika ny "homosexualité" no heverina fa tsy mampitovy hevitra ny Papa Léon XIV sy ny Papa François. Ity farany mantsy dia nanaja ny safidin'ny tsirairay. Ny Papa Léon XIV kosa dia efa nanambara fa "ny fianakaviana dia miorina eo ambonin'ny fiarahana matotry ny lahy sy ny vavy". Azo heverina araka izany fa tsy halalaka firy intsony ireo LGBT eo anivon'ny fiangonana manerantany, tahaka ny any Etazonia ihany. Andrasana araka izany ireo mety ho fitsipika vaovao mikasika izany.