Belo Tsiribihina : Zana-tsokatra « rere » miisa 300 no nafindra toerana, ho fiarovana azy
Karazan-tsokatra tsy fahita raha tsy eto Madagasikara ny rere. Isan’ireo ahiana mafy ho lany tamingana anefa ity soka-drano ity, ka nametrahana drafi-piarovana manokana. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana toerana hahafahana miaro azy ireny, tahaka izay notanterahina tany amin’ny Distikan'i Belo amoron’i Tsiribihina tamin’ny herinandro lasa teo.
Sokatra ahiana ho lany tamingana
Araka ny nambaran’ny fitaleavam-paritry ny tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ao Menabe, dia maro ireo ranovory tsy ahitana ny rere (Erymnochelys madagascariensi) intsony. Araka izany, ahiana mafy ny hahalany tamingana azy, noho ireo tsindry maro mihatra aminy, indrindra vokatry ny ataon’ny olombelona. Mandray anjara mavitrika amin’ny fiarovana ny rere ireo vondron’olona ifotony monina manodidina ny faritra arovana Ambondrobe, ka nanapa-kevitra ny tsy hikitikitika ireo biby ireo, mba ahafahana manara-maso ny fitombon’ireo zana-tsokatra sady ho fiarovana ny tontolo iainana. Mba hanamafisana ny fiarovana azy, dia ilaina ihany koa ny mametraka toerana maromaro hahafahan'izy ireny mitombo sy mivelona, araka ny paikady ao anatin’ny drafi-piarovana ny rere.
Soka-dranomamy tsy fahita firy
Vokatry ny ezak’ireo mpiaro ny tontolo iainana, niaraka tamin’ny solon-tenan’ny ministera miisa 3 eny ifotony, dia ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ary ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, dia azo notanterahina ny famindran-toerana (translocation) ny zanaka rere 300 isa avy ao amin'ny ranovory Ambondrobe, Fokontany Ankaivo, nankao amin’ny ranovory Maromahia, Fokontany Belobaka, Kaominina Ambanivohitrin'Andimaky, samy ao amin’ny Distikan'i Belo amoron’i Tsiribihina, tamin’ny 9 mey 2025 lasa teo. Mialohan'ny famindran-toerana dia efa nisy ny fitaizana ireo zanaka rere tao anaty "bassin", nandritra ny roa herinandro, mba ho fanaraha-maso azy ireo bebe kokoa.
Araka ny fantatra moa dia toerana 3 eto Madagasikara sisa no ahitana ity soka-dranomamy antsoina hoe : rere ity, dia any Sambirano, Mangoky, ary ao amin’ity farihin’Ambondrobe ity.