Ady amin’ny halatr’omby : Lany teny amin’ny Atenimierampirenena ny tolo-dalàna manamafy ny sazy
Mirongatra manerana an'i Madagasikara ny halatr'omby. Raha tany amin'ny tapany Atsimon'ny Nosy no tena nalaza ratsy tamin'izany, dia saika ny Faritra rehetra mihitsy no efa ahitana izany ankehitriny. Mazàna no halatra miharo herisetra hatrany izany. Ho fanamafisana ny ady amin'ity halatr'omby ity no antony nandanian'ireo solombavambahoaka ny tolo-dalàna laharana faha-004-2024/PL, omaly 14 mey 2025.
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana
Isan'ny maharary ny vahoaka ankehitriny ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny halatr'omby any ambanivohitra any, araka ny nambaran'ny depiote Velomihoatra Painchard, Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan'i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana. Notsiahiviny fa vao tsy ela akory izay, dia nitrangana fanafihan-dahalo tany Ambohitrabo, kaominina Tangainony, Distrikan'i Farafangana. Omby roa vala, miisa 14, no nangalarin’izy ireo tamin’izany. Lasan'izy ireo ihany koa ny basy lava « calibre 16 » iray, trano iray no may nodoran’ireo dahalo ireo ary raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy. Araka izany, manohana tanteraka ity lalàna ity ny solombavambahoaka Velomihoatra Painchard.
Sazy mahery vaika kokoa
Ny Solombavambahoaka Hyacinthe Befeno Todimanana, voafidy tao amin’ny Distrikan’Antsohihy, no nanolotra ity tolo-dalàna laharana faha-004-2024/PL ity, izay mameno sy manova ny Didy Hitsivolana 60-106 tamin’ny 27 septambra 1960 mifehy ny halatr’omby. Niray hevitra ireo Solombavambahoaka amin’ny fandaniana ity lalàna ity, noho ny fahatsapana fa mirongatra ny tsy fandriampahalemana ateraky ny halatr’omby manerana ny Nosy. Voamarika fa maro ireo mpangalatra omby no tsy voatazona any am-ponja, noho ny antony maro samihafa, ka miteraka horohoro ho an’ny vahoaka ny tranga tahaka izany, hoy ny fampitam-baovaon’ny Antenimierampirenena. Noho izany, anisan’ny fanovana natao, ao anatin’ity tolo-dalàna ity, ny fametrahana sazy mahery vaika kokoa ho an’ny mpangalatra omby, toy ny sazy famonjana mandra-pahafaty. Nodinihina ihany koa ny momba ny sazy ho an’ny mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra omby, mba hiadiana amin’ny tambazotra mamoaka ireo dahalo avy any am-ponja. Ankoatra izay dia isan’ny soso-kevitra naroson’ireo Solombavambahoaka, nandritra ny ady hevitra, ny fametrahana sy ny fanamafisana ny dina, eny amin'ny tontolo ambanivohitra.
Ny hahatonga ireo mpangalatra omby hatahotra, ka hampihemotra azy ireo, no tena tanjon’ity tolo-dalàna ity, hoy ny solombavambahoaka Velomihoatra Painchard. Antso avo ihany koa no nataony, mba tena hampiharana ny lalàna amin’ireo izay meloka eo anatrehan’ny lalàna.