• Cours de change
  • 5027.16 AR
  • |
  • $4514.42 AR
Copyright Image : © Fb
Image
Vaovao

Raharaha Raissa : Olona 3 nidoboka am-ponja, anisany ny Renibeny

15/05/2025 08:01 © Moov

Mihamaro ireo voarohirohy tamin’ny famonoana an’i Raissa. Niakatra Fitsarana omaly moa ny raharaha. Anisan’ireo voatazona am-ponja ny reniben’i Raissa, izay tsy Iza fa renin’ny dadany.

Olona 3 tazomina am-ponja vonjimaika

« Sous Mandat de dépôt » ny olona 3 noho ny famonoana sy firaisana tsikombakomba. Iray vavy roa lahy izy ireo, ka vavitokana amin’izany ny reniben’i Raissa, 68 taona. Samy tsy ampy taona, 16 taona, ireo tovolahy tazomina am-ponja. Tovolahy mipetraka ao amin’ilay ramatoabe ilay voalohany ary tovolahy mifanerasera akaiky amin’ny fianakaviana ny iray. Tamin’ilay taratasy fanoroana ny toerana nasiana ny vata mangatsiakan’i Raissa moa dia efa nitono-tena ireo mpamono fa olona akaiky sy miara-miaritra ny fahoriana izy ireo. Tsiahivina hatrany fa mbola nandrahona ny hamono olona roa hafa izy ireo.

Fanadihadihana lalina

Azo heverina fa noho ny olam-pifandraisana eo amin’ny vinanto sy rafozana, izany hoe teo amin’ny renin’ny dadan’i Raissa sy ny reniny, no mety nahatonga ilay hoe « valifaty ». Tranga tena mampivarahontsana nefa izao raharaha izao satria na misy aza ny mety tsy fankasitrahana ny tokatranon-janaka, tsy misy raibe na renibe mahavita mamono taranaka. Tsy mpivady vao rahateo ireo Ray aman-drenin'i Raissa fa efa niteraka 4 be izao.
Etsy ankilany, misy resaka « sorona » ihany koa izao famonoana izao. Voalaza mantsy fa mifanerasera amina mpitrandraka vatosoa ilay reniben’i Raissa. Noho izany indrindra no hanahiana fa nila rà latsaka izy ireo hahazoana harembe. Mampieritreritra nefa ny nandefasan’ireo mpamono ny vatana tanaty « fosse septique », izany hoe nahetry hasina mihitsy, raha rà nitadiavana soa no nalatsaka.
Tsy mifarana hatreo ity raharaha ity. Mitohy hatrany ny fanadihadihana hahafantarana izay tena zava-nisy marina, sady hanaovana hazalambo ireo voakasika mivantana na ankolaka amin’ity famonoana Zaza tsy manan-tsiny ity. Mbola hiakatra fampanoavana ireo efa notazomina am-ponja hahafantarana izay didy raikitra mikasika azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires