« Enurésie nocturne » na zaza mipipy am-pandriana : ireo tsara fantatra
Ny zaza efa mihoatra ny 5 taona mbola mipipy am-pandriana no atao hoe manao « énurésie nocturne ». Izany hoe mipipy ho azy mandritra ny torimaso amin’ny alina. Tsy fanahiniany ny manao izany ary mety mila fitsaboana sy fanampiana manokana izy mba hialana amin’izany. Araho eto ary ireo mety ho anton’ny « énurésie nocturne » sy ny tokony atao manoloana izany.
Ireo antony mety mahatonga ny zaza mipipy am-pandriana
Maro ireo antony mety mahatonga ny zaza mipipy am-pandriana na manao « énurésie nocturne » ary tsy voatery hitovy izany eo amin’ny ankizy tsirairay. Anisan’ireo anton-javatra matetika mahatonga azy io ny :
-Famokaran’ny vatana pipy be loatra amin’ny alina. Ny tsy fahampian’ny tahan’ny « hormone antidiurétique » dia mety mitarika famokarana pipy betsaka kokoa rehefa matory amin’ny alina ;
-Fahakelezan’ny tatavy. Rehefa kely loatra ny tatavy an’ilay zaza dia tsy mahavita mitazona ny pipy vokarin’ny vatany mandritra ny alina ;
-Tsy fahavitana mifoha raha te hipipy amin’ny alina. Misy amin’ny zaza sasany no manana torimaso lalina (sommeil très profond) ka lasa tsy tafafoha na efa feno be aza ny tatavy mandritra ny torimasony amin’ny alina ;
-Fototarazo. Izany hoe manaranaka ;
-Fitohanana lava (constipation chronique). Ny tsindry ataon’ny maloto mafy ao anatin’ny tsinay rehefa mitohana lava ilay zaza dia mety hampikorontana ny fiasan’ny tataviny ;
-« Infections urinaires » izay mety mampisy « irritation » ny tatavy ka mahatonga ilay zaza tsy mahatana ny pipy ;
-« Apnée du sommeil » izay karazana « troubles respiratoires » mandritra ny torimaso ka mandrisika ny « énurésie nocturne » ;
-Rarintsaina, tebiteby na toe-javatra nampihetsi-po an’ilay zaza dia mety mahatonga na manasarotra ny « énurésie nocturne » ;
-Fahataran’ny fahamaotian’ny fifehazana ny tatavy amin’ny alina.
Ireo vahaolana sy torohevitra manoloana ny « énurésie nocturne »
Ny fandraisana an-tanana sy fitsaboana ny « énurésie nocturne » dia miankina amin’ny taonan’ilay zaza, ny hatetiky ny fotoana hipipizany am-pandriana ary ireo anton-javatra mety mahatonga azy. Anisan’ireo vahaolana sy fitsaboana atao ny :
-Ferana ny fisotroana rano na zava-pisotro amin’ny hariva, indrindra rehefa adiny 2 ora alohan’ny hatory ;
-Mipipy alohan’ny hatory. Atao in-droa miatoana, izany hoe rehefa alohan’ny hankeo am-pandriana sy rehefa tena hatory mihintsy ;
-Mampiasa « réveil » amin’ny alina mba hanampiana ny tatavy ;
-Tsaboina ny fitohanana raha mitohana lava. Mila mihinana sakafo be fibra sy misotro rano tsara. Manantona mpitsabo raha tsy mety misinda izany ;
-Tsy bedesina ny zaza mipipy am-pandriana fa azavaina azy ny mety mahatonga izany ary tohanana ara-tsaina izy. Tsy latsaina ary tsy alaina baraka ;
-Fanantonana mpitsabo mba hahazo ny fizahana ara-pahasalamana sy ny fitsaboana sahaza raha ilaina izany.