Zaza manaikitra : ‘ndeha ho resahana!
Fihetsika iray fahita eo amin’ny zaza sy ny ankizy kely ny manaikitra. Maro ireo antony mety mahatonga azy io : maniry nify, « frustration », fiarovan-tena… Raha ataon’ny zaza fomba fiarovan-tena na fanehoana hatezerana izy io dia mila fitandremana. Araho eto ireo fihetsika tsara atao manoloana ny zaza manaikitra araky ny torohevitry ny mpitsabo.
Inona no antony mety mahatonga ny zaza hanaikitra ?
Ny fanekerana dia fihetsika taitaitra mety ataon’ny zaza na ny ankizy kely. Miankina amin’ny taonan’ireto farany moa ny anton’izany. Ny zazakely dia tsy manana tanjona hamparary na handratra rehefa manaikitra satria mbola tsy mahafantra ny fiantraikan’ny fihetsiny ny atidohan’izy ireny. Ny vavany dia ampiasaina hamantarana zava-baovao, toy ny tsiro, fitsetsafana, fitsakoana… Rehefa mihalehibe kosa izy dia mety mbola hanohy manaikitra nohon’ny antony hafa. Anisan’izany ny hoe :
-Maniry nify. Raha eo anelanelan’ny faha 3 sy 12 volana ny zaza no manaikitra dia mety maniry nify izy izay. Mampitony ny hidihidy sy ny fanelingelenana tsapany eo amin’ny hihy no mahatonga azy manaikitra.
-Mandrindra ny fihetseham-po. Ny ankizy kely dia mety mbola sahirana milaza na mizara ny fihetseham-pony satria mbola vitsy ny voambolana hainy. Izany dia mety miteraka « frustration » eo aminy. Noho izany dia mety hanehoany ny hatezerana, harerahana, rarintsaina, « excitation », « détresse psychologique »… ny fanekerana.
-Maneho ny toetrany. Rehefa mihalehibe ny ankizy kely dia manomboka maneho ny toetrany. Mianatra mamantatra ny toetra tsara sy ny toetra ratsiny izy ary mitsapa ny manodidina azy sy ny fetra zakan’izy ireo. Noho izany dia mety manaikitry izy : hitsapany ny fiantraikan’ny fihetsiny, hampisehoany ny filàna fahefana (ohatra rehefa milalao), hahazoany izay ilainy, hisarihana ny
Ahoana ny tokony atao manoloana ny zaza manaikitra ?
Na dia avy amin’ny fahataitairana na fihetsika tia andrakandrana aza matetika ny fanekeran’ny zaza dia mila mandray andraikitra hatrany ny ray aman-dreny. Tsy vahaolana kosa nefa ny fahatezerana. Anisan’ny tokony atao manoloana ny zaza manaikitra ny :
-Fitoniana. Raha tena mbola kely ilay zaza dia mbola tsy afaka mahafantatra ny vokatry ny fihetsika nataony izy. Anjaran’ny ray aman-dreny no manazava azy moramora sy amin’ny fomba tsotra hoe tsy mety ny manaikitra. Aseho azy ny vokatry ny fihetsiny ary teneniny izy hoe mety marary be ary mampitomany ny kaikitra.
-Ampianarina maneho ny fihetseham-pony izy. Raha mamerimberina manaikitr’olona ny zaza dia mila resahana tsara. Andramana hanontaniana izy ahafantarana ny antony mahatonga azy manao izany. Atoro azy ihany koa ny fomba fanehoana ny fihetseham-po amin’ny alalan’ny fehezanteny tsotra toy ny « tsy tiako izao », « tsy hanao izao aho », « ahy ity »…
-Tambazana ilay ankizy voakaikitra. Raha hisarihana ny « attention » ny ray na ny reny no mahatonga ny zanaka manaikitra dia mila tambazana eo imasony ilay ankizy nokakeriny. Izany dia ampisehoana ilay zaza manaikitra fa tsy mandaitra hisarihana ny « attention » ny fanekerana ny hafa. Raha tratra manaikitra ankizy izy dia esorina teo avy hatrany mba ho fantany fa tsy mahazo milalao miaraka amin’ny hafa izay raha manaikitra.