• Cours de change
  • 5069.19 AR
  • |
  • $4513.75 AR
Copyright Image : © Ceni Madagascar
Image
Vaovao

Fanavaozana ny lisi-pifidianana : Nitombo 3.31% ny mpifidy vaovao voasoratra anarana

20/05/2025 15:14 © Moov

Nofaranana tanteraka manerana ireo distrika 120, ny 15 mey 2025 teo ny lisitry ny mpifidy navaozina ny taona 2024-2025. Teo anatrehan’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana eny anivon’ny distrika tsirairay moa no nanatontosan’ny ratsamangaikan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) izany. Nisy fiakarany araka izany ny isan’ireo mpifidy vaovao voasoratra anarana.

Miisa 386 621 ireo mpifidy vaovao

Raha tsiahivina dia nanomboka ny 1 desambra 2024 ny fanavaozana ity lisi-pifidianana ity ary tamin’io 15 mey io no voarakitra manontolo, izany. Miisa 12 078 427 ireo mpifidy voarakitra anatin’io lisitra nofaranana io, raha toa ka 11 691 806 ny antontan’isa nandritra ny famaranana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny taona 2024. Araka izany, nahitana mpifidy vaovao miisa 386 621, izay 3.31% raha ny antontan’isa.
Nanamarika ny avy ao amin’ny CENI fa ireo olona nisitraka ny fahazoan-dalana manokana hifidy (ordonnance) tamin’ny fifidianana farany teo dia nampidiriana tao ka isan’ny nampitombo io isa io. Ankoatra izay dia eo ihany koa ireo tanora vao ampy taona ka afaka mifidy, izany hoe ireo feno 18 taona. Nanamafy araka izany ny avy ao amin’ny CENI fa « nahitam-bokany ireo fomba fiasa maro samihafa sy ny paikadim-panentanana napetraka handrisihana ireo olompirenena hisoratra anarana, hanamarina na hanitsy ny mombamomba azy anaty lisitry ny mpifidy ».

Fanamby ny tsy hisian’ny anarana miverina

Isan’ny fanambin’ny CENI tamin’ity taona ity ny hanalana ireo anarana miverimberina ao anatin’ny lisitra. « Efa nataonay ho fanamby mihitsy ny nanala ny doublon ary efa tsy misy intsony amin’izao », hoy i Ando Andriamalazaray, Filoha lefitry ny CENI. Nomarihiny ihany koa fa efa manana « commissaires électoraux » ity andrim-panjakana iray ity, manara-maso sy manao ny fanitsiana izany lisitra izany.
Tetsy ankilany dia efa nesorina avokoa ny anaran’ireo olona efa maty tao anatin’ny lisitra.

Lire la suite

Articles Similaires