• Cours de change
  • 5069.19 AR
  • |
  • $4513.75 AR
Copyright Image : © Mialy Rajoelina
Image
Vaovao

Fahasalamana : Nambara ôfisialy fa tsy misy aretina lefakozatra intsony eto Madagasikara

20/05/2025 15:59 © Moov.Mg

Tsy nahitana trangan’aretina lefakozatra intsony teto Madagasikara nanomboka ny taona 2023. Tapaka ny fifindran’ny lefakozatra, amin’ilay karazany « poliovirus de type 1 », noho ny ezaka natao tamin’ny fanaovam-baksiny ny zaza, ka nambara tamin’ny fomba ôfisialy, androany 20 mey 2025, fa tapitra ny aretina lefakozatra eto amintsika.

Tsy nahitana trangan’aretina lefakozatra

Raha tsiahivina, niverina nirongatra indray ny aretina lefakozatra teto Madagasikara, tamin’ny taona 2020. Aretina mora mihanaka noho ny loto ny lefakozatra, ka nahiana mafy ny hiparitahan’izany teo amin’ireo zaza latsaky ny 5 taona. Noho izany dia nanatanteraka hetsika maromaro, fanaovam-baksiny faobe, ny ministeran’ny Fahaslamam-bahoaka, niaraka tamin’ny Tetikasa Maneran-tany ho famongorana ny lefakozatra (IMEP). Reny mpiahy ireo hetsika fanaovam-baksiny ireo rtoa Mialy Rajoelina, vadin’ny filoham-pirenena. Olona mihoatra ny 19 tapitrisa no vita vaksiny, tao anatin’izany fandraisana andraikitra haingana nataon’ny Fanjakana izany, araka ny antontan’isa’ny UNICEF. Nanomboka ny volana septambra 2023 dia tsy nahitana trangan’aretina lefakozatra intsony teto amintsika.

Tamin’ny volana septambra 2023 dia tranga 287 no voamarina, 45 isa tamin’ireo no trangana fahalemena. Valin’ny fitiliana miisa 198 tamin’ireo fanaraha-maso ny rano maloto natao ihany koa no miabo. Izany fanaraha-maso izany, na ny natao tamin’ny olombelona, na ny natao tamin’ny tontolo manodidina, no isan’ny nahafahana nanapaka ny fifindran’ny aretina lefakozatra. Ankoatra izay dia nametraka paikady vaovao ireo mpisehatra amin’ny vaksiny, dia ny fampandraisana anjara ny eny ifotony, ny fanatonana isam-baravarana ary ny fanamafisana ny fanadihadiana momba ireo trangan’aretina.

Mason-tsivana hentitra

Mila mahavaly mason-tsivana hentitra ny firenena iray, mba hahafahany mahazo ny fankatoavana momba ny fahataperan’ny aretina lefakozatra : mila manana tahana hery fiarovana ambony ny mponina amin’ny ankapobeny, takiana ny fanaraha-maso matotra sy mahomby, mila manaporofo fa tsy nisy fitiliana nahitana « poliovirus » intsony nandritra ny fe-potoana 12 volana mitohy, na tamin’olombelona na tamin’ny tontolo iainana (rano maloto). « Mahavelom-panantenana ny ezaka vita tato anatin’ny taona vitsivitsy, momba ny fanaovana vaksiny sy ny ady amin’ny lefakozatra. Ankehitriny, nambara fa tapitra ny lefakozatra. Nampiseho isika fa azo atao ny mihoatra ny fetra sy manorina fiovana maharitra. Andao isika hanohy hiasa, hanentana sy hanambatra ny hery, mba hahafahan’ny zaza tsirairay manana hoavy salama sy azo antoka », hoy Ramatoa Mialy Rajoelina.
Izao fahombiazana azon’i Madagasikara izao no manaporofo fa rehefa misy ny fahavononana ara-pôlitika, rehefa misy ny fiaraha-miasa matanjaka amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy amin’ireo eny ifotony, dia azo fehezina tsara ny firongatry ny lefakozatra. Tena ilaina ny manohy ny ezaka, mba hisorohana ny mety ho trangan’aretina vaovao indray, hoy ny Chikwe Ihekweazu, talem-paritra mpisolo toerana eo anivon’ny OMS Afrika.

Lire la suite

Articles Similaires