Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 26 may hatramin'ny 1 jona 2025
Atolotra anao ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, nanomboka ny alatsinainy 26 may hatramin'ny alahady 1 jona 2025
Tontolo iainana # Andro Iraisampirenena ho an’ny Karazanjavamananaina
Tontosa ny 28 sy 29 may lasa teo ny Foaran'ny Karazanjavamananaina, hetsika nanamarihana ny andro iraisampirenena ho an'ny Karazanjavamananaina (Biodiversité), teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina. “Ny natiora mirindra no fototry ny fampandrosoana maharitra”, izany no lohahevitra nobanjinina tamin'izany.
Nivoitra ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fitantanana maharitra sy ny fanomezan-danja ny karazanjavamananaina, izay ahitana ny fandraisan’anjaran’ny Ministera, ny kaominina, ny mpiara-miombon’antoka, ny sehatra tsy miankina ary ireo fikambanana misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Notolorana mari-pankasitrahana moa ireo maherifon’ny karazanjavamananaina miisa 20 izay misehatra amin’ny fiarovana ny harena voajanahary eto Madagasikara.
Vidin-tsolika # Niakatra ny Essence sy ny Pétrole
Nihatra nanomboka omaly 1 jona ny fanovana vidin-tsolika isam-bolana. Nahitana fiakaram-bidy ny Essence SP 95, ka lasa 5 520 ar/L raha 5 510 ar/L teo aloha : 10 ariary ny fiakarana. Tsy mitsaha-mitombo ny vidin'ny Pétrole, ka miakatra 200 ar isaky ny litatra indray. Lasa 3 430 ar/L ny vidiny raha 3 230 ar/L teo aloha. Tsiahivina fa nojofaina tamin'ny vidiny 2 430 ar/L ny Solika fandrehitra tamin’ny volana Janoary 2025.
Ny Gasoil ihany no nidina ny vidiny manerana an’i Madagasikara. 70 ariary ny fidinana, izany hoe lasa 5 100 ar/L raha 5 170 ar/L tamin'ny volana may.
Miss Monde # I Thaïlande no nandrombaka ny amboara
Tontosa ny sabotsy 31 may lasa teo ny lanonan-dehiben'ny Miss Monde 2025. Ny Miss Thaïlande, Opal Suchata, no nandresy tamin'izany. Izy izany no mandimby ny Miss Monde 2023 avy any Tchèque, Krystyna Pyszková. Efa Deuxième dauphine Miss Univers 2024 ny tenany, no izao lasa Miss World faha-72 izao. 21 taona ny tovovavy, ary misehatra amin'ny tontolon'ny filatroana.
Ny fifanitsanana nahatafidirana Top40 no natao voalohany, ka nanaraka izany ny fisafidianana solotena 5 isaky ny kaontinanta, izany hoe Top20. Niisa 20 izany ireo tafakatra tamin'ny lalao manasa-dalana, ka 5 ireo avy eto Afrika : Cameroun, Ethiopie, Namibie, Nigéria ary Tunisie. Ny dingana famaranana kosa, 4 ihany no tafajanona, izany hoe iray isaky ny kaontinanta : Miss Thaïlande (Miss World), Miss Ethiopie (1ère dauphine), Miss Pologne (2ème dauphine) ary Miss Martinique (3ème dauphine).
BAD # Fivoriambe isan-taona AFDBAM 2025
Natomboka tamin'ny fivorian'ny "Comité Directeur du Conseil des Gouverneurs" ny Fivoriambe isan-taonan'ny BAD, ny alatsinainy 26 may lasa teo. Noresahina manokana tamin'izany ny fomba enti-manao ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny BAD ho an'ny 5 taona manaraka.Rehefa nandeha àry izany fifidianana izany, dia lany tamin'ny salan'isa 76,18% ny solontena avy any Mauritanie, TAH Sidi Ould.
Ny 28 may, nisy ny fihaonana tamin'ireo tompon'andraikitra avy ao amin'ny ASIAN INFRASTRUCTURE INVESTMENT BANK, izay notarihin-dRamatoa Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rindra Rabarinirinarison. Ny 29 mey lasa teo kosa, nihaona tamin'ireo mpivory ny "Centre de Coopération Multilatérale pour le Financement du Développement"(MCDF), mikasika ny fiaraha-miasa amin'ny fanarenana sy fananganana fotodrafitrasam-pifandraisana any amin'ny firenena andalam-pandrosoana.
Diplaomasia # Hitsidika an'i Madagasikara ny Filohampirenen'i Slovénie
Hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin'i Slovenie sy Madagasikara ny fitsidihana ara-panjakana ho ataon'ny filoha Natasa Pirc Musar, ny 3 sy 4 jona ho avy izao.
Mandritra ny fitsidihana ara-panjakana ho ataon'ny filoha an'i Slovenie eto Madagasikara dia ho resahana avokoa ireo sehatra hahafahan'ny firenena 2 tonta miara-miasa. Anisan'izany ny resaka toekarena sy ny varotra, ny momban'ny angovo azo avaozina, ny tontolo iainana, ny momban'ny teknolojia vaovao, ny fizahantany, ny resaka fiarovana na sécurité ary indrindra ny resaka fifanakalozana ara-kolontsaina.
Voalaza ihany koa fa hitsidika ny Akamasoa ny filoha Natasa Pirc Musar. Tsiahivina fa avy any Slovénie ny Père Pedro Opeka.
Fahasalamana # Hamokatra fanafody ny Pharmalagasy
Miodina hatrany ny orinasa Pharmalagasy, na dia efa tapitra hatry ny ela aza ny Covid-19. Hiroso amin'ny fitsapana ara-barotra fanafody 7 anisan'ireo ampiasaina indrindra izany orinasa mpamokatra fanafody izany ato ho ato. Ireto avy ireo fanafody ireo : Paracétamol 500 mg, Ibpropgène 200 mg & 400 mg, Prednisolone 5 mg, Furosémide 40 mg, Allopurinol 100 mg et Chlorphéniramine 4 mg. Tsara ny manamarika fa ambany kokoa, misy fahasamihafana 20%, noho ny vidiny mahazatra no ivarotana iro fanafody ireo.
Ny Pharmalagasy dia manohy ihany koa ny fanomezana lanja ny fahalalana nentin-drazana amin’ny alalan’ny famolavolana Médicaments Traditionnels Améliorés (MTA) sy Remèdes Traditionnels Améliorés (RTA), ho an’ny fahasalamana maharitra sy mifanaraka amin’ny maha-izy antsika malagasy.
Sabotsy Namehana # Fanodinana ny fako ho lasa loharanon-karena
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana ny tetikasa fanangonana sy fanodinana fako mora simba. Ny orinasa BAM, misehatra amin’ny famokarana biogaz no tompon'antoka amin'izany. Ho lasa biogaz sy zezika biolojika izany ny fako. Nisy moa ny fanolorana fitaovana fanangonana fako sy fanamiana, entina hanamorana ny fanangonana ny fako eny an-tsena. Naneho ny fahavononany hanohana ny hetsika ireo mpivarotra sy mponina eo an-toerana, ho amin’ny hoavy madio sy maitso kokoa.
Ity tetikasa ity dia tohanan’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) sy ny Fandaharanasa ho an’ny Tontolo Iainana Manerantany (FEM) amin’ny alalan’ny Conservation International (CI). Tanjon’ny tetikasa ny fanomezan’danja ny fako sy ny fanamafisana ny toekarena mihodina ary ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro.
Androy # Tsara ny vokatr'ireo mpiompy trondro
Notsidihan'ny ekipan'ny ministeran'ny Jono ireo mpiompy trondro avy ato amin'ny Kaominina ambanivohitry Androy , Distrikan'i Lalangina. Tonga tany an-toerana ihany koa ireo mpiara-miombon'antoka sy mpamatsy vola, dia ny GIZ sy ny Masoivoho Allemagne (BMZ) .
Nisy ny fijerena ny zava-misy teny ifotony sy fifanakalozan-kevitra, manodidina ny fiompiana trondro sy ny fampanarahan-dalàna ny seha-pihariana. Marobe ny ezaka ataon'ireo mpiompy trondro amin'ny famokarana zana-trondro, fampanatodizana trondro ary fanatavezana trondro. Hatreto dia fikambanana miisa 4 no misy ka miisa 60 ireo mpiompy trondro mivondrona. Ho fanamorana ny famatsiambola dia havadika koperativa ireo fikambanan'ny mpiompy trondro.
Mandritsara # Vono olona noho ny ady lova
Olona 3 no namoy ny ainy tao Mahambolona, omaly alahady 1 jona. Lehilahy iray no nanatsatoka antsy ny rahalahiny niaraka tamin'ny zanany roa vavy. Maty tsy tra-drano izy telo mianaka. Tsy nifanaraka tamin'ny fizarana lova izy mirahalahy ka izao nahavanon-doza izao ny iray. Nandositra ilay nahavanon-doza, ka efa mikaroka azy ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.
Efa nisy moa ny fizahana ny razana nataon`ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana.