GEF6-AMPs, GRET, FAPBM : Hifanome tanana hanangana ny Faritra arovana an-dranomasina sy an-tanety ao Sainte-Marie
Miroso ny asa fananganana ny Faritra arovana an-dranomasina sy an-tanety ao Sainte-Marie. Notanterahina tamin'ny fomba ofisialy, omaly, ny fanaovan-tsonia ny fifanekena momba ny famatsiam-bola ho an'ny fametrahana io faritra arovana io. Hifanohana amin’izany ny tetikasa GEF6-AMPs, ny GRET sy ny Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar (FAPBM).
Faritra arovana mirefy 250.000 hektara
Zava-dehibe amin’ny fiarovana ny harena ao Sainte Marie ity faritra arovana ity, na an-dranomasina izany na an-tanety. Mirefy 250 000 hektara izy io izay mahatonga azy ho manan-danja sy tokony arovana. Fanta-daza amin’ny fandalovan’ny Trozona na ny Baleine à bosse i Sainte-Marie. Manana karazanjavamananaina maro hafa miavaka nefa tandidomin-doza nohon’ny tsindry maro samihafa ataon’ny olombelona sy vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ihany koa ny ranomasina manodidina ao. Zava-dehibe noho izany ny hanaovana io fari-dranomasina io ho lasa faritra arovana mba ho tombotsoan’ny rehetra sy ny natiora ka ho lovainjafy.
Ny famoronana faritra arovana an-dranomasina, toy izao, dia zava-dehibe ho an’i Madagasikara. Mikendry ny hiaro ireo rohivoahary an-dranomasina marefo izy io. Hahafahana miantoka ny fahafahan'ireo mponina amorontsiraka miatrika ny fiovan’ny toetrandro, ary hiantohana fidiram-bola maharitra ho azy ireo, ihany koa. Izany tombony rehetra izany no mahazava-dehibe ny fiaraha-miasan’ny telo tonta amin’ny famatsiam-bola, mba hahafahana manatanteraka ireo asa.
Hisy mpiara-miasa vaovao
Ankoatra ny GEF6-AMPs, GRET ary ny FAPBM dia hisy fiaraha-miasa hafa mba hitohizan’ny asa atao. Anisan’izany ny fidiran’ny Wildlife Conservation Society # Madagascar izay hanamafy hatrany ity fametrahana faritra an-dranomasina arovana ity. Tokana ihany ny tanjon’ny rehetra dia ny hiara-hiasa hanorina hoavy maharitra sy mihaty ho an’ny tontolo an-dranomasina.
Mifanindra-dalana indrindra amin’ny vinan’i Madagasikara hanitatra avo telo heny ny velaran’ny faritra arovana an-dranomasina eto amin'ny nosy sy hanamafisana ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary eto amintsika, ity tetikasa ity.