• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Max Fontaine : « Manana fahafahana ho ohatra amin’ny fitantanana fako ekolojika i Madagasikara »

05/06/2025 16:18 © Moov

Ankalazaina maneran-tany isaky ny 5 jono ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana. Lohahevitra amin’izany ny hoe « miady amin’ny fandotoana plastika ». Ny eto Madagasikara kosa dia nisafidy ny hoe « Nosy ho an’ny ho avy tsy misy loto plastika ».

Vahaolana tsy hampiasana plastika

Ratsy ny plastika, izany no fehin’ny ampahan’ny lahatenin’ny Minisitra, Max Andonirina Fontaine, androany. « Raha ny fironana dia hitombo avo telo heny ny fako plastika any amin’ny taona 2050. Izy io anefa no mitondra ny 20% ny famoahana entona mangeja hafanana ka miteraka ny fiovaovan’ny toetr’andro”
“ Etsy andaniny dia 85% ny fako an-dranomasina dia plastika avokoa ary hatahorana ho ireo fako ireo indray no betsaka kokoa noho ny trondro any anaty ranomasina, farihy ary renirano afaka 20 taona », raha ny tatitra nataony hatrany.
Efa misy ny vahaolana hampihenana izany eto Madagasikara, saingy mila ny fandraisana andraikitry ny rehetra. Ao anatin’izany ny fampiainana ny fanodinana sy fanaovana ho fahazarana ny fampiasana harona mateza na fonosana mety levona. Tanjona lehibe amin’izany dia ny mba « hamela lova tsara ho an’ny taranaka isika fa tsy hamela loza ».

Fanamby goavana ho an’i Madagasikara

Nandritra io lahateniny io, ny Minisitra dia manamafy fa azon’i Madagasikara sy ny Malagasy atao ny manatratra io tanjona io. Isan’ny fako tena manimba sehatra maro sy ny fiainana iray manontolo mihitsy ny plastika. « Manana fahafahana ho ohatra amin’ny fitantanana fako ekolojika i Madagasikara », hoy ny tenany tao anatin’izany lahateniny izany. Amin’ny alalan’ny fanabeazana ny mponina sy fampandraisana anjara azy ireo amin’ny fomba fampiasana tsara ny plastika izany. Azo atao manomboka ao an-tokantrano, eny am-pianarana sy eny amin’ny fiaraha-monina rehetra eny izany rehetra izany.
Nanentana ny fandraisana anjaran’ny rehetra izy, nilaza fa manan-danja avokoa ny hetsika amin’ity 5 jona ity, sy ny isan’andro. « Aza manary fako any anatin’ny natiora, mandraisa anjara amin’ny hetsika fanadiovana samihafa, manohàna ny asa fanodinana eto Madagasikara ary hampiroboroboy ny kolontsaina manaja tontolo iainana », hoy izy. Etsy ankilany mbola ho hamafisina ihany koa ny fotodrafitrasa fitantanana fako.

Lire la suite

Articles Similaires