Oniversite Akamasoa : Hisitraka "Résidence Universitaire" ireo mpianatra manomboka amin’ny 2026
Notanterahina teny Mahatazana, teny amin’ny Akamasoa, androany ny fametrahana ny vato fototry ny trano natao hipetrahan’ireo vehivavy mpianatra ao amin’ny Oniversite Saint Vincent de Paul Akamasoa. Fiaraha-miasa eo amin’ny Akany Akamasoa, Fondation Axian, Yas Madagascar ary ny First Immo ity fotodrafitrasa ity. Ny Sequoia JR sy ny SOCOTEC kosa no manatanteraka ny asa.
Efitrano miisa 52
Afaka handray vehivavy sy tovovavy, aman-jatony ity trano vao haorina ity. Ahitana efitrano miisa 52 amin’ny 11m2 isan’isany ny trano. Tafiditra ao anatina trano iray misy rihana 5 izany rehetra izany. Samy ahitana trano fidiovana ny isaky ny efitrano ary hiraisana kosa ny lazokia lehibe. Any amin’ny rihana farany ambany kosa, misy efitrano lehibe sy toerana fanahazan-damba. Raha ny fanamarihan’ny Père Pédro Opeka, izay mpitantana ny akany dia ireo mpianatra ao amin’ny Oniversite Akamasoa ihany no hipetraka sy honina amin’ireo efitrano ireo. Ahitana sampam-pampianarana maro mantsy eny amin’io sekoly ambony io dia ny, « pédagogie », anglisy, frantsay, « informatique » …
Mpianatra avy amin’ny faritra 22 manerana ny Nosy ireo mandrato fianarana ao ireo. Nankasitraka ny fanampiana hataon’ireo orinasa sy fikambanana ireo i Père Pédro. « Hanamaivana ny fahasahiranan’ireo mpianatra avy lavitra sy ireo tena sahirana amin’ny fivezivezena avy any amin’ny tanan-dehibe mankaty ny fisian’ity fotodrafitrasa ity. Misaotra ny amin’ny fanampiana ireo vehivavy ireo hivoatra amin’ny fiainany », hoy izy tamin’ny lahateniny. Natao indrindra hanomanana ireo vehivavy hahaleo-tena rahateo ny fampianarana eny amin’io Oniversite io.
Hampivoarana ny vehivavy
Ireo vehivavy mpianatra 18 hatramin’ny 39 taona no hisitraka ireo efitrano ireo. Tanjona ao anatin’izany ny hanamora ny fomba fahazon’ireo vehivavy fahalalana. Natao izany mba hampivoarana azy ireo amin’ny fanamorana ny fahazoana asa. Toerana azo antoka ho amin’ny fahombiazan’ireo vehivavy ireo ity toerana ity, raha ny fanazavana. "Ilaina ny fanomezana tontolo mampivelatra ny zatovovavy amin’ny fianarana, ny fahatokisan-tena ary ny fahombiazana. Hahafahana mampitovy ny lenta eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, ihany koa izany ", hoy i Mialisoa Andrianasolo, Tale mpanatanteraka ao amin’ny Fondation Axian.
Marihina fa efa afaka handray mpianatra izy io amin’ny taom-pianarana vaovao 2026, raha 12 volana ny fepotoan’ny asa.