• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Dgd
Image
Vaovao

Fanondrananana an-tsokosoko : Volamena naraikitra tamin'ny vilia plastika

06/06/2025 06:58 © Moov

Tra-tehaka teny Ivato ny teratany Indiana iray nikasa hanao trafikana volamena. Naraikitra tamin'ny vilia miloko moa ny vovo-bolamena nokasaina nentina any Dubai.

Ny harivan'ny alakamisy 5 jona, nandritra ny fikarakarana ny fiondranana amin’ny sidina Emirates EK708, nahatsikaritra tranga hafahafa ny mpiasan’ny Fadintseranana. Ny entana teratany indiana iray no tsy maintsy natao fisavana manokana rehefa nampiahiahy ny sary nivoaka teo amin'ny Scanner.
Nahitàna lovia plastika mainty mantsy tao anaty valizy ka ireo mihitsy no nifantohan'ny mpisava entana. Rehefa nokikisana àry ny loko dia hita fa misy vovo-bolamena miraikitra ireo vilia ireo. Tokony ho maivana ihany ireo vilia plastika ireo, nefa dia nahatratra 3,560 kg. Mbola eo am-pamantarana mazava tsara ny lanjan’ny vovo-bolamena saika ahondrana an-tsokosoko kosa ny mpiasan’ny Fadintseranana.

Tetikady

Miova endrika hatrany ny tetikady ampiasain'ireo mpanao trafika manafina ny harem-pirenena. Vao tamin'ny fiandohan'ny volana may lasa teo no nisy teratany Sri-Lankais nanafina volamena 3,855 kg tanaty Rice Cooker. Nikasa niondrana any Dubai ihany koa ranamana, saingy tra-tehaka ary efa nalefa eny Tsiafahy. Tsy adino ihany koa ny volamena nafenina tanaty finday, eny hatrany anaty fitombenana mihitsy aza.
Tsiahivina hatrany fa efa arifomba ireo fitaovana ampiasaina eny amin'ny Seranampiaramanidina iraisampirenena sy ireo seranantsambo mivoaka an'i Madagasikara, ka tsy sarotra ho an'ny Fadintseranana ny mahita ireo entana mampiahiahy. Efa matihanina rahateo ireo mpisava entana ka manohy hatrany ny fiarovana ireo harem-pirenena, na volamena, na hazo sarobidy, na zava-maniry, na biby. Ankoatra izay, mendri-piderana koa ny fiaraha-miasa amin’ireo sampan-draharaha hafa eny amin’ny seranam-piaramanidina izay tsy misalasala mifanome tanana amin’ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires