Intelligence Artificielle : Marobe ireo mpianatra lasa tsy mampiasa saina intsony
Tsy azo iodivirana tokoa ny fandrosoana entin'ny teknolojia vaovao. Efa maro ireo tanora mampiasa ny vokatry ny "Intelligence Artificielle", ka isan'ny tena malaza ny Tchat GPT.
Manamora fiainana tokoa ny Intelligence Artificielle (IA) satria hahitana hevitra maro, amin'ny sehatra rehetra. Ilàna fandanjalanjana nefa ny fampiasana azy ireny, mba tsy hamita-tena ka tsy hampiasa saina intsony.
Famoronana lahatsoratra
Tsy vitsy ireo mpianatra, indrindra ireo eny amin'ny Ambaratonga Ambony, no alaim-panahy manao enti-mody amin'ny alalan'ny Tchat GPT. Misy mihitsy aza ireo mampiasa izany fitaovana izany amin'ny fanoratana boky anaovana "soutenance". Mety ho haingana tokoa ny fanaovana ny boky na ny enti-mody, ary mety hahazo naoty tsara, saingy tsy manam-pahalalana akory. Maro mihitsy aza moa ireo mangalatra mampiasa finday rehefa fanadinana, hahazoana hevitra maro amin'ny Tchat GPT. Mazava ho azy, mampitotongana ny lentan'ny fampianarana izany satria tsy mikaroka intsony ny mpianatra fa miankin-doha amin'ny IA fotsiny.
Rehefa "zatra lalan-dririnina" ilay mpianatra dia mbola hanohy hampiasa Tchat GPT hatrany amin'ny tohin'ny fiainany : fanoratana "lettre de motivation" hitadiavana asa ohatra. Rehefa tsikaritr'ilay mpampiasa nefa fa avy amin'ny IA ilay taratasy fangatahana asa dia tsy ho voaray mihitsy. Mety ho voaray ihany, saingy ho sahirana amin'ny asa, indrindra raha ilàna "créativité" sy "originalité" ny zavatra iandraiketana.
Atao inona àry ny IA ?
Azo ampiasaina tsara ny IA, toy ny Tchat GPT. Tsy tokony adika fotsiny nefa ireo toro atolony, satria tokony manao fikarohana hatrany raha hanolotra asa soratra amin'ny anaran'ny tena. "Fisandohana" rahateo ny fangalana fotsiny ny asan'ny hafa.
Ireto àry misy toro vitsivitsy tsara ho fantatra :
-Natao angalana hevitra fotsiny ny IA. Tsara marihana fa maro mihitsy ireo hevi-diso tanisain'ny IA, ka tsy voatery ho marina ny lahatsoratra atolony ;
-Azo atao ny manamarina lahatsoratra raha nalaina tamin'ny IA na nosoratan'ny tanan'olombelona. Raha toa ka tsikaritry ny mpampianatra izany fa Tchat GPT tanteraka no nampiasaina dia azo adika toy ny "Fraude" izany ka mahavoasazy ;
-Tsy ny lahatsoratra ihany no azo alaina amin'ny IA, fa azo atao ihany koa ny mamorona sary na horonantsary.
Tsy manamarina ny hakamoana ny fisian'ny IA. Tsara raha samy mahay mifehy tena sy hazoto hikaroka hatrany, na dia somary mandany fotoana aza izany.