• Cours de change
  • 5137.34 AR
  • |
  • $4424.8 AR
Copyright Image : © Viseo-Adc
Image
Asa & Fianarana

Tontolon’ny asa : zava-dehibe ny fikarakarana ny « image »

24/07/2025 14:36 © Moov.Mg

Maro tokoa ny mihevitra fa rendrarendra na haitraitra fotsiny ihany ny fikarakarana ny « image » eo amin’ny tontolon’ny asa. Fihevitra diso ihany nefa izany satria stratejika iray misy fiantraikany mivantana amin’ny fahombiazana izany. Andeha ary ho fantarina ny maha zava-dehibe ny fikarakarana ny « image » eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fomba anatanterahana izany.

Inona no atao hoe « image » eo amin’ny tontolon’ny asa ?

Ny « image » dia azo faritana amin’ny fomba tsotra hoe ny fahitan’ny hafa ny tena amin’ny ankapobeny, izany hoe ny endrika sy toetra ampiseho ny hafa. Manan-danja tokoa izy io eo amin’ny tontolon’ny asa satria misy fiantrakany maro eo amin’ny fandraisana sy fitsaran’ireo olona rehetra mifandray amin’ny tena. Marihana arak’izany fa tsy miompana amin’ny endrika ivelany ihany ny « image ». Voarakitr’izany ihany koa na ny fomba fihetsika, fanehoana hevitra, fitondran-tena…

Ireo antony mila hikarakarana ny « image » eo amin’ny tontolon’ny asa

Maro ireo antony tsy azo anaovana tsirambina ny fikarakarana ny « image » eo amin’ny tontolon’ny asa :
-Manamafy ny fahatokisan-tena sy ny fahatokisan’ny hafa. Mananana fahatokisan-tena kokoa rehefa fantatra fa voakarakara tsara ny endrika sy ny toetra entina mifandray amin’ny hafa eo amin’ny tontolon’ny asa. Mora ihany koa ho an’ny mpanjifa, mpiara-miasa, mpampiasa… ny manome fahatokisana ny tena satria raisin’izy ireo ho azo antoka kokoa amin’ny « image » aseho azy ireo ;
-Mampandroso ara-kasa. Afaka manampy amin’ny fandrosoana sy fivelarana ara-kasa ny fahaizana mikolokolo ny « image ». Mora misokatra kokoa ny varavarana amin’ny fahazoana tetikasa, fampivelarana ny tambajotra matihanina, fiaraha-miasa rehefa hitan’ny olona hifandraisana fa olona manana ny maha izy azy sy azo itokisana ;
-Mandrisika ny fanajana sy fahazoana hena-maso. Ny fikarakarana ny « image » dia maneho fanajana ny tena sy ny hafa. Ho setrin’izany dia mahazo fanajana sy hena-maso avy amin’ireo olona mifanerasera amin’ny tena, eny na ireo olona manan-kaja sy manana toerana ambony amin’ny asa aza.

Ahoana ny atao hikolokoloana ny « image » ?

Mba hikolokoloana ny « image » eo amin’ny tontolon’ny asa dia maro ireo lafin-javatra maro mila kolokoloina sy kaliana :
-Ny endrika ivelany. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana fitafy mifanaraka amin’ny seharatr’asa sy ny orinasa iasana, fitandrovana ny fahadiovana… Tsy voatery mandany vola be amin’ny fitafy lafo vidy fa atao madio, mihaja sy mampivoaka ny endrika amam-bika ;
-Ny fitondran-tena sy ny fihetsika. Anisan’izany ny fahamarinana ara-potoana, ny fananana toetra sariaka, fahaizana mihaino, ny fanajana ny fe-potoana, ny fahaizana mandrindra ny fihetseham-po… ;
-Ny fifandraisana. Mila kaliana ihany koa ny fomba firesahana sy fanehoana hevitra, na an-tsoratra na am-bava. Ny fahaizana maneho hevitra mazava, am-panajana sy manaraka ny fitsipi-pitenenana dia isan’ireo fambara ny maha matihanina.

Lire la suite

Articles Similaires