Mpianatra : mila asaina manao famerenana ve ny ankizy alohan’ny fidirana ?
Herinandro vitsy sisa no isaina dia hiditra hianatra ny mpianatra. Maro amintsika ray aman-dreny no matahotra sao tsy misy tadidin’ny zanantsika intsony ireo fahaizana fototra entiny hanomboka ny kilasy vaovao. Noho izany dia mipetraka ny fanontaniana hoe : mila asaina manao famerenana ve ny ankizy alohan’ny fidirana ? Maro ireo valin-teny azo omena manoloana izany.
Ny taranja tsy dia hain’ny ankizy no atao famerenana alohan’ny fidirana mianatra
Ny valin-teny voalohany dia hoe mila manao famerenana ny ankizy alohan’ny fidirana mianatra. Araka ny fanazavan’ireo manam-pahaizana dia mety hanadino ny fototr’ireo zavatra hainy ny ankizy rehefa tsy mianatra mandritra ny fotoana maharitra. Ny taranja hita fa tsy dia nanavanana azy nandritra ny taom-pianarana teo aloha no tena asaina ataony famerenana. Raha hiditra kilasim-panadinana izy dia azo atao ihany koa ny maka mpampianatra mpampamerin-desona mba hanampy azy hiomana amin’ny taom-pianarana ho avy. Mazava ho azy fa tsy atao mavesatra loatra ireo fotoana hanaovana famerenana ireo fa avela hanararaotra ny faran’ny fialantsasatra ihany koa ny ankizy.
Avela mikatona mihintsy ny kahie ary ny fakana aina no atao laharam-pahamehana
Ny valin-teny faharoa dia ny hoe mila maka aina tsara ny ankizy alohan’ny fidirana mianatra. Araka ny hevitry ny mpampianatra sy ny manam-pahaizana sasany dia mila hajaina ny fotoana tsy misy fanazarana sy lesona satria tena ilain’ny atidoha izany. Arak’izy ireny dia tsy tokony ho hampisy rarintsaina fanampiny ny fialantsasatra, na ho an’ny ankizy na ny ray aman-dreny. Tsy ilaina arak’izany ny mampanao famerenana ny ankizy amin’izao faran’ny fialantsasatra izao. Mety vao maika izany hampalaina azy amin’ny fidirana mianatra.