Taom-pianarana vaovao : torohevitra hanatsarana ny fitadidian’ny ankizy
Miantoka ny fahombiazan’ny ankizy eo amin’ny fianarana ny fitadidiana. Mila kolokoloana izy io mba hitombo sy hiasa tsara. Ireto ary misy torohevitra manampy mba hanatsaran’ny fitadidian’ny ankizy, izay tena ilaina tokoa dieny izao fiantombohan’ny taom-pianarana vaovao izao.
Fanatsarana ny fitadidian’ny ankizy : mila fomba fiaina ara-pahasalamana
Isan’ireo torohevitra voalohany hanatsarana ny fitadidian’ny ankizy ny fametrahana fomba fiaina ara-pahasalamana. Anisan’ny tokony atao amin’izany ny :
-Fahampiana torimaso. Zava-dehibe amin’ny fanamafisana ny fitadidiana ny torimaso. Mandritra ny alina ny atidoha no mifantina sy mitahiry ireo zavatra nianarana nandritra ny tontolo andro ;
-Fihinanana sakafo voalanjalanja. Misy ireo karazana sakafo manankarena « oméga-3 », vitamina B sy « antioxydants » no tsara ho an’ny atidoha sy ny fitadidiana. Anisan’izy ireny ny trondro matavy, ny voankazo sy legioma, ny « noix »… ;
-Fanaovana fanazaran-tena. Ny fanazaran-tena sy ny fanatanjahantena dia mandrisika ny fikorian’ny rà, toy ny rà mankany amin’ny atidoha. Izany dia manatsara ny « fonctions cognitives », ka anisan’izany ny fitadidiana, ny fifantohana…
Mampihatra paikady fianarana « actives »
Rehefa mampianatra ny ankizy ao an-trano, toy ny rehefa mamerin-desona, dia tsy asaina manao tsianjery be fahatany fotsiny izy fa mila amporisihana mba hahazo tsara ireo lesona hianarany. Anisan’ireo fomba manampy amin’izany ny :
-Fampifandraisana ny « informations » vaovao amin’ny zavatra efa hainy. Izany dia mba hahamora ny fitadidiana izany ;
-Fampiasana ny « aides visuelles », toy ny sary sy ny « fiches » maro loko dia mety manampy betsaka hanatsarana ny fitadidiana ny zavatra hianarana ;
-Fanazavana ilay lesona hianarana amin’ny olona hafa. Izany hoe rehefa avy mianatra lesona ny ankizy dia asaina averina hazavainy izany mba hahafana mitadidy tsara azy ;
-Fampiasana lalao sy « activités » mahafinaritra. Tsy voatery raisina ho asa be ny fianarana. Fomba iray manampy ny ankizy hampikotrana sy hanatsara ny fitadidiana ny laolao sy ny fanaovana « activités » mahafinaritra, toy ny « puzzle », « jeux de mots »…