« Burn-out » : ahoana ny fomba hiverenana miasa am-pitoniana ?
Mahazo vahana tokoa ankehitriny ny « burn-out ». Ity farany moa dia harerahana lalina ara-batana sy ara-tsaina vokatry ny rarintsaina maharitra ateraky ny asa. Mety miteraka olana ara-pahasalamana lalina, na ara-tsaina na ara-batana, moa izy io ary mety mitarika amin’ny famonoan-tena raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna. Rehefa vita ary ny fitsaboana ny « burn-out » dia ahoana ny fomba atao hiveranana miasa am-pitoniana sy hisorohana ny « rechute » ?
Miverina miasa aorian’ny « burn-out » : mila fiomanana tsara
Alohan’ny hiveranana any amin’ny toeram-piasana aorian’ny « burn-out » dia mila manoman-tena tsara. Mifototra indrindra amin’ny fakana aina sy ny fanaovana « thérapie » any amin’ny « psychologue » moa izany.
-Fahasitranana feno : alohan’ny hiverenana miasa dia mila azo antoka tsara fa niverina ny « équilibre » ara-batana sy ara-tsaina aorian’ny « burn-out ». Mila fotoana ny vatana sy ny saina vao afaka miverina miara-miasa ara-dalàna ;
-Fantarina ireo antony nahatonga ny « burn-out » : ny fiatohana amin’ny asa (arrêt de travail) no fotoana andinihana ireo lafin-javatra (ara-kasa sy fiainana manokana) nahatonga ilay harerahana lalina. Inona no tena namizana ? Ny habetsaky ny asa ve ? Ny tsy fahampian’ny fankasitrahana ve ? Ny tsy fametrahana fetra ve ? Rehefa fantatra mazava ireo lesoka dia ezahana tsy averina intsony.
-Mametraka fetra. Zava-dehibe ny fahaizana mametraka fetra sy mandà ireo asa na fangatahana mihoatra ny tokony ho vitan’ny tena na koa mety hampikorontana ny « équilibre » ara-batana sy ara-tsaina. Ny fahasalamana ara-tsaina no atao laharam-pahamena.
Fifampiresahana amin’ny mpampiasa
Miantoka ny fiverenana miasa am-pitoniana aorian’ny « burn-out » ny fifampiresahana mangarahara miaraka amin’ny mpampiasa (ny orinasa). Alohan’ny hidirana miasa aorian’ny fitsaboana tena dia ilaina ny mangataka fifampiresahana amin’ny solontena miandraikitra ny asa na ny orinasa. Io no fotoana hifandinihana miaraka mikasika ny fanamboarana azo atao mikasika ny asa mba hisorohana ny « rechute ».
-« Rythme de travail » : dinihina miaraka ny fahafahana miverina miasa tsikelikely, izay matetika tena ilana, ohatra hoe miasa tapak’andro aloha mandritra ny herinandro vitsy. Io no fomba manampy hiverenana mizatra am-pitoniana amin’ny asa.
-« Volume et tâches » : hifampiresahana ny asa tokony sahanina. Atomboka moramora, ny asa maika no atao voalohany ary jerena izay afaka miandry na ampanaovina ny mpiasa hafa. Fadiana ireo asa manokana nampisy rarintsaina.
Miditra miasa : mampihatra fitsipika vaovao hisorohana ny « rechute »
Rehefa tonga ny andro hiverenana miasa dia tsy ny « performance » no kendrena voalohany fa ny faharetana. Noho izany, mila mametraka fitsipika vaovao amin’ny fanatanterahana ny asa.
-Mandroso tsikelikely. Tsy mikendry ny hanenjika ny asa tsy vita nandritra ny fotoana nitsaboana tena na koa hampiseho fa mahavita miasa be noho ny teo aloha ;
-Mametraka fahazarana. Mampitony ny saina sy ny vatana ny mametraka fahazarana ho an’ny tontolo andro. Anisan’izany ny fifohazana amin’ny ora voafaritra, mandeha tongotra kely, maka fotoana voafaritra hakana aina kely anatin’ny tontolo andro…Sady mametra ny tebiteby ny fiverenana miasa izany no manatsara ny fandrindrana ny fotoana ;
-Mitsahatra miasa rehefa alina sy faran’ny herinandro. Tsy mikitika zavatra mikasika ny asa intsony mandritra ny fotoana tsy hiasana. Mila mahay manavaka ny fotoana hiasana sy ny fotoana natokana ho an’ny fiainana manokana ;
-Manohy manara-maso ny toe-pahasalamana. Tena misy tokoa ny « risque de rechute » eo amin’ny olona tratry ny « burn-out ». Ilaina arak’izany ny manohy manao « thérapie » na dia efa niverana miasa aza. Henoina tsara ireo mety ho fambaran’ny « burn-out » toy ny harerahana be, fahakizitinana, fahaverezan’ny risipo… Manantona mpitsabo avy hatrany raha miseho izany ;



