Mpianatra ampy taona : ireo asa madinika azo atao mandritra ny fialantsasatra
Efa akaiky dia hivaly ny fanadinana « baccalauréat ». Maro ireo maniry ny hitady vola kely mandritra ny fotoanan’ny fialantsasatra noho ny antony samihafa toy ny hanampiana ny ray aman-dreny hanomanana ny fidirana, hividianana zavatra, hangonina… Ho an’ireo mpianatra ampy taona ary dia ireto misy karazana asa madinika azo atao mandritra ny fialantsasatra.
Miasa amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny trano fandraisam-bahiny
Isan’ireo sehatra manome asa madinika atao mandritra ny fialantsasatra ho an’ireo tanora ampy taona ny fizahantany sy ny trano fandraisam-bahiny. Any amin’ireo faritra amorontsiraka be mpiala sasatra moa izany no tena betsaka fa mety misy ihany koa ety afovoan-tany. Anisan’ireo asa azo atao ny :
-« Serveur(se) » ao amin’ireo trano fandraisam-bahiny, trano fisakafoanana, trano fanaovan-danonana… ;
-Mivarotra « articles de souvenirs » eny amin’ireo tsenan’ny mpanao asa-tanana ;
-« Animateur(trice) » na mpanentana amin’ireny « clubs de vacances » na trano fandraisam-bahiny.
Ny sehatry ny serivisy sy ny varotra
Misy tolotr’asa maro mety ho an’ireo mpianatra ampy taona sy azo atao mandritra ny fialantsasatra ny sehatry ny servisy sy ny varotra. Amin’ireo renivohitra moa matetika no tena miroborobo izy ireny. Anisan’izany ohatra ny :
-« Vendeur(se) » ao amin’ireo « boutiques », tranombarotra lehibe na kely ;
-« Caissier(e) » ;
-« Assistant » amin’ny « cyber » ;
-« Animateur(trice) » na fanentanana amin’ireny « salons », « foires », « tranombarotra »…
Ahoana no fitadiavana ireo asa madinika ireo ?
Mila fahavitrihana, fikarokarohana sy fifandraisana aman’olona ny fitadiavana ireo asa atao rehefa fialantsasatra eo Madagasikara. Anisan’ny mila trandrahana ary ny :
-Fifampiresahana amin’ny olona samihafa, toy ny havana, namana, mpiray tanana sy ireo olom-patatra rehetra. Milaza amin’izy ireny fa mitady asa kely atao mandritra ny fialantsasatra ;
-Fametrahana fangatahana asa (candidature spontanée). Izany hoe manantona mivantana ireo trano fisakafoanana, trano fandraisam-bahiny, tranombarotra, orinasa… ka manontany sao misy asa azo atao mandritra ny fialantsasatra ;
-Fikarohana eny amin’ny tambazotra sosialy ;
-Fanantonana « agences d’intérim ». Misy fotoana ahitana tolotr’asa mety atao anatin’ny volana vitsy ao amin’izy ireny.