• Cours de change
  • 5085.59 AR
  • |
  • $4470.78 AR
Copyright Image : © Parents
Image
Reny&Zaza

Bevohoka tsy tia sakafo : ‘ndeha ho resahana ny mikasik’izany !

05/06/2025 09:02 © Moov.Mg

Efa fahita sy fahenontsika ny mikasika ny bevohoka ratsiana sakafo sy lasa mazoto homana be. Misy ihany koa nefa ny tranga mifanohitra amin’izany, izany hoe misy karazana sakafo, iray na maro, lasa tsy tiana mihintsy mandritra ny fitondrana vohoka. Inona no mety ho anton’izany ? Ahoana ny fomba atao hampisinda izany ?

Ireo antony mahatonga ny bevohoka lasa tsy tia sakafo

Maro tokoa ny bevohoka voakasik’ity tsy fitiavana karazana sakafo sasany ity mandritra ny fitondrana vohoka. Izany hoe sakafo tiany taloha nanjary lasa tsy tiany mihintsy. Anisan’ireo antony mety mahatonga izany moa ny :
-Fikorontanan’ny hormonina. Lasa mamokatra hormonina « bêta-hCG » betsaka kokoa ny vatana ka izy io no mahatonga ny fahatsapana maloiloy sy mampandoa rehefa bevohoka. Ankoatra izay dia mety manova ny fahazotoana homana ihany koa io hormonina io ka mahatonga ilay bevohoka tsy tia sakafo sasany izay tiany teo aloha.
-« Facteurs psychologiques et émotionnels ». Mandritra ny fitondrana vohoka dia lasa miovaova ny toe-po sy ny fihetseham-pon’ny bevohoka. Mety hitebiteby matetika ihany koa izy ka lasa misy fiantraikany amin’ny fahazarany ara-tsakafo izany. Ny rarintsaina moa dia mety hanamafy ny fikorontanan’ny taova fandevonan-kanina eo amin’ny bevohoka ka mahatonga azy sahirana na tsy mazoto mihinana karazana sakafo sasany.

Inona no mety ho fiantrakan’izany tsy fitiavana sakafo eo amin’ny bevohoka izany ?

Mety miteraka olana ara-pahasalamana toy ny tsy fahampiana ara-tsakafo na otrikaina ny tsy fitiavan’ny bevohoka sakafo sasany. Ny tsy fitiavany vokatra avy amin’ny ronono rehetra ohatra dia mety hitarika tsy fahampiana « calcium » izay tena ilaina amin’ny fiforonana sy fitomboan’ny taolan’ny zaza ao an-kibo. Toy izay ihany koa ny tsy fihinanany hena na voamaina izay mety hampihena ny tahan’ny « fer » ao amin’ny vatany ka hiteraka tsy fahampiana rà.

Inona no vahaolana manampy hampisinda izany ?

Io tsy fitiavana sakafo sasany mandritra ny fitondrana vohoka io dia mety hitarika fahalain-komana eo amin’ny bevohoka voakasik’izany. Anisan’ireo torohevitra manampy hampisinda izany ny :
-Fihainoana ny vatana sy ny fifadiana ny sakafo tsy tiana. Raha tena mampijaly ny mihinana ireo sakafo tsy tiana dia tsy manery tena mihinana izany. Miezaka kosa mihinana ny sakafo mitondra ny otrikaina hita ao amin’ireo tsy tiana ireo mba tsy ho tratry ny « carence ».
-Fihinanana sakafo matetika ao anatin’ny tontolo andro raha toa ka tena tsy mampazoto ny mihinana ny sakafo maraina-atoandro-hariva. Manampy hitazomana ny fahazotoana homana sy miaro amin’ny aretim-bavony izany.
-Fampiarana ireo fikafika mampihena ny maloiloy. Ny fihinana sakamalaho ohatra dia voalaza fa manampy amin’izany. Afaka atao dite na atao amin’ny sakafo izy io.
-Ahena ireo fofona sakafo mahery izay mety mampaloiloy na mampandoa. Rehefa mahandro na manendy sakafo dia sokafana daholo ny varavarana sy ny varavarankely mba hivoaka ny fofona mahery.

Lire la suite

Articles Similaires