• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Net
Image
Madagasikara

Asa soratra Malagasy : 'Ndao fantarina ny momba an'i Rafanoharana (Bolesapara)

07/06/2025 07:08 © Moov

Mpanoratra, poeta, mpampianatra i Rafanoharana, fantatra tamin'ny anaram-bositra hoe Bolesapara. Tafiditra ao anaty fandaharam-pianarana ny asa sorany.

Na ankizy kely any amin'ny garabola aza dia mahay ny "Mahaiza misaotra". Tsianjery fampianatra ny ankizy tokoa izy io, ampianarana ny fahalalam-pomba, entina mitondra tena tsara manomboka amin'ny fahazazana.
"Raha misy manome
Zavatra ho anao
kingà miteny hoe
Misaotra tompoko ô
Ny akoho misotro rano
Na be na kely eo
Avia ange tazano
Diniho sy jereo

Zay azo no andrandraina
Fisaorana no atao
Rankizy, mbà misaina
Ambaka ve ianao."

Iza tokoa moa i Bolesapara ?

Efa ho 45 taona izao no nahafatesan'i Bolesapara, saingy tsy lefy laza ny asa sorany. Teraka tamin'ny 1 901 izy ary nodimandry ny taona 1981, izany hoe 80 taona katroka no fivahinianany tety an-tany.
Tany Ambositra no nahaterahan'i Bolesapara, zanak'i Ramangarivo sy Rasoamanandafy. Rasoamiaramanana Rafanoharana no tena anarany. Io anarany faharoa io no namoronany ny solon'anarany hoe "Bolesapara", midika hoe "fanoharana" na "paraboles". Raha ny tantarany, ny rahavavin-dreniny no nitaiza azy satria kamboty reny mbola kely izy. Efa lehibe ny tenany vao nahafantatra ny rainy sy ny marina momba azy. Teo amin'ny faha-26 taonany, izany hoe tamin'ny 1927, no niroso tamin'ny fanambadiana izy. 5 ny zanany ka 2 lahy sy 3 vavy.
Mpampianatra no asan'i Bolesapara voalohany. Tao amin'ny sekoly nianarany, Escande Ambositra, no nampianarany ny taona 1920 hatramin'ny 1925. Voatery najanony nefa izany asa izany noho ny antony ara-pahasalamana. Na izany aza, niraiki-po tamin'io sekoly io izy, ary nitazona ny andraikitry ny Filohan'ny Maintimolaly nandritra ny roapolo taona mahery.

Manao ahoana ny mikasika ny asa soratr'i Bolesapara ?

Anisan'ireo mpanoratra tamin'ny vanim-potoana "Mitady ny very" ny tenany, izany hoe iray tarika tamin-dry JJ Rabearivelo, Ny Avana Ramanantoanina sy Charles Rajoelisolo. Roa ny tantara foronina nosoratany, dia "Ilay Ony" sy "Ilay Veromanitra". Mikasika ny sombin-tantara kosa, ny "Hitady azy isika" sy ny "Ralanto mpanjono" no tena fantatr'ireo mpankafy.Ny taona 1 933, nahazo ny laharana faharoan'ny loka "Les Belles-lettres" izy tamin'ny alalan'ny bokin-tantarany hoe "Ilay veromanitra".
Noho ny asa sorany mahasarika sady manandratra avo ny kolontsaina tena Malagasy, tsy vitsy ireo gazety namoaka tononkalo na tantara nosoratany. Anisan'izany ny "Ny Fandrosoam-baovao", "Ny Trompetra Volamena", "Teny Soa", "Ny sakaizan'ny tanora, "Ny Akon'Iarivo", sns. Mbola namoaka ny kanton'i Bolesapara ihany koa ireo gazety zandriny, tahaka ny "Midi Madagasikara" sy ny "La Tribune". Nisy tamin'ireo mpanoratra aza moa no nirakitra ny tononkalony tanaty boky. Hahitana ny asa soratr'i Bolesapara ohatra ny "Etsy Babeko" nosoratan'i Régis Rajemisa Raolison sy ny "Takelaka Notsongaina" nosoratan'i Siméon Rajaona.
Tamin'ny taona 2019, nikarakara hetsika fahatsiarovana an'i Bolesapara ny fianakaviany, izay nampitondraina ny lohahevitra hoe "Hahatsiaro azy isika". Tsara ny manamarika fa ny mpanoratra Rakotozafy Antsa (Lillac), mpikambana ao amin'ny HAVATSA-UPEM, no mandimby an'i Rafanoharana (Bolesapara).

Lire la suite

Articles Similaires