Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 10 hatramin'ny 16 jona 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 10 hatramin'ny alahady 16 jona.
Amboasary Atsimo # Festival Caméléon andiany voalohany
I Amboasary Atsimo no ambohi-pihaonan'ny avy ao Toliara, Taolanaro sy Ambovombe, ny zoma 14 hatramin'ny alahady 16 jona lasa teo. Ny Festival Caméléon andiany voalohany no notanterahina tamin'izany. Izany hetsika izany dia natao ho fampahafantarana ireo harena voajanahary ao amin'ny faritra Anôsy sady fanandratana ny kolontsaina Antanosy, Antandroy ary Bara. Nahazo tombony manokana ihany koa ireo mpanao asa tanana sy mpivarotra nandray anjara, satria maherin'ny 5 000 isan'andro ireo olona tonga. Tsy ny fizahantany sy ny kolontsaina ihany izany no niompanan'ny hetsika, fa teo ihany koa ny fampandrosoana ny ekonomia tany an-toerana.
Nisy moa ny dia niombonana, nitsidihana ireo toerana voaaro tena manintona mpizahatany maro, dia ny Réserve Naturelle Berenty sy ny Lac Anony. Nandray anjara tanteraka tamin'ny hetsika ireo mponina tao Amboasary Atsimo, tamin'ny alalan'ny fifaninanana isan-karazany : diabe, hazakazaka, course bisikileta, course lakana, fifaninanana fitafiana isam-poko, sns.
ITM 2025 # 500 no isan'ireo mpampiranty
Tontosa ny 12 hatramin'ny 15 jona lasa teo ny ITM andiany faha-11, teny amin'ny CCI Ivato. Nahitana fiakarany ny isan'ireo mpampiranty, satria lasa 500, raha 400 tamin'ny taona 2024. Nampivondrona mpisehatra amin'ny fizahantany, ny fitaterana, ny fampiantranoana, ny fikarakarana sakafo ny mpanao asa tanana sy ireo manana tolotra rehetra mikasika ny fandraisam-bahiny ny hetsika.
Nambaran'ny filoham-pirenena fa hatomboka ny tetikasa fananganana Hotely kintana 5, satria miakatra hatrany ny filàna amin'ny fampiasana toeram-pivahinianana raitra. Nankalazaina nandritra ny ITM 2025 moa ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny "Office National du Tourisme de Madagascar".
Fetim-pirenena # Kerimesy karakarain'ny Hery fiarovana sy filaminana
Nanomboka ny Talata 10 jona teo ary tsy hifarana raha tsy ny Alakamisy 19 Jona ny Kerimesy Lehibe karakarain’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, izay ivondronan’ny Tafika Malagasy, ny Polisimpirenena ary ny Zandarimariam-pirenena. Ny fampirantiana ny tantara sy fitaovana ampiasain'ny foloalindahy no tena mibahana ao amin'ny Kianja Barea. Misy ihany koa nefa ny fanentanana isan-karazany. Anisan’ny mahasarika ny maro ohatra ny "Stand de tir" ahafahana manandrana mitifitra amin’ny basy fanaovana fanazaran-tena. Tsy vitsy ireo manararoatra maka sary miaraka amin'ireo fitaovana ampiasan’ny mpitandro filaminana toy ny elikoptera, fiaramanidina, fiara mifono vy ary ny bemoto.
Koa satria tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny fetim-pirenena ny hetsika, misy ny varotra arendrina vita Malagasy. Entina hampiodinana ireo akany fitaizan'ny mpitandro filaminana zaza kamboty sy anaovana asa sosialy isan-karazany ny vola azo amin'izany.
Antenimierampirenena # Tolo-dalàna mikasika ny olona varira
Anisan'ireo tratry ny fanilihan'ny fiaraha-monina ireo varira. Noho izany indrindra, tsy mitsahatra manamafy ny fiarovana azy ireo na ny fanjakana, na ireo andrim-panjakana, na ireo fikambanana samihafa. Lany teny anivon'ny Antenimierampirenena àry ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira taorian’ny fanitsiana natao hampifanaraka izany amin’ny Lalàmpanorenana. Nambaran’ny Solombavambahoaka fa zava-misy tsy azo lavina intsony ny fampijaliana sy herisetra mahazo ireo olona manana fahasamihafana ara-batana, indrindra fa ny varira, izay lasibatra amin’ny vono olona, herisetra ary hatramin’ny varotra olona. Ka izany indrindra no antony nananganana izao tolo-dalàna izao.
Ankoatra izay dia notanterahina teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza ihany koa ny atrikasa manokana nifampizarana tolo-kevitra hanavaozana sy hanatsarana ny lalàna mifehy ny herisetra ara-nofo sy ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy. Tanjona ny fampihenana ny tahan’ny herisetra ara-nofo, ny fandraisana an-tanana ireo niharam-boina ary ny fanamafisana ny sazy ho an’ny mpanao herisetra.
UNOC 3 # Nahazo ny fankasitrahana "Flagship Award" i Madagasikara
Ny 11 jona lasa teo, tany Nice, nahazo ny "Flagship Award" i Madagasikara nandritra ny Conférence des Nations Unies sur les Océans andiany fahatelo (UNOC 3). Izany fankasitrahana izany dia noho ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’ny fanaovana laharam-pahamehana ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina. Ny tetikasa NoCaMo, vatsian'ny Fonds Français pour l’Environnement Mondial (FFEM) vola, no tena nanamarika ireo mpitsara.
Etsy andaniny, manohana sy mampiofana ireo mpanjono ny Ministeran'ny Jono mba hanara-dalàna hatrany izy ireo, hisorohana ny faharinganan'ny hazan-dranomasina. Voaara ohatra ny fampiasana lay, na, dia te hahazo pirina aza. Etsy ankilany, mampihatra stratejia maty paika ny Ministeran'ny Tontolo iainana mba hisakanana ireo endrika fandotoana ny ranomasina.
Antenimierandoholona # Lalàna mikasika ny Omby
Nodinihin'ny Antenimierandoholona lalàna mikasika ny omby. Heverina ny Hametrahana sehatra ifampiresahana sy ifanakalozan-kevitra amin'ireo tompon'andraikitra isan-karazany sy ireo mpiompy omby. Dinihina ihany koa ny tokony hametrahana « système integré de gestion de la filière bovine » hahamora ny fanisana ny omby misy eto Madagasikara sy ny « traçabilité » ny omby hiadiana amin’ny halatr’omby.
Azo heverina ny fametrahana « guichet unique » izay tonga dia ahitana solotenam-panjakana sy ny veterinera rehetra tafiditra anaty fikarakarana taratasin’omby, izay eo akaikin’ny toerana fanaovana vaksiny no apetraka.
Antenimierampirenena # Fihaonan'ny depiote sy ny governemanta
Nifarana ny zoma faha-13 Jona lasa teo ny fihaonana teo amin'ny governemanta sy ireo solombavambahoaka teto amin'ny Lapan'i Tsimbazaza. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ireo solombavambahoaka dia maro ireo naneho fisaorana ny governemanta tamin’ny asa vita sy asa an-dalam-panefàna, maro ihany koa anefa ireo fangatahana avy amin’ny vahoaka eny ifotony nentin’ireo solombavambahoaka teo anatrehan’ny governemanta. Nitondran’ny mpikambana ao amin’ny governemanta valiny teo no eo ihany ireo fanontaniana napetraky ny solombavambahoaka. Ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta, no nitondra fanazavana farany ary ny Filohan’ny Antenimierampirenena no namarana ny fifanatrehana.
Sodiat # Misokatra ny Madagascar Security Academy (MSA)
Misokatra ny Madagascar Security Academy (MSA) ao Andakana, an'ny Groupe Sodiat. Toeram-panofanana ambony mikasika ny fiarovana izy io. Tafiditra ao anatin'izany ny fiarovana manokana, ny fiarovana ny seranampiaramanidina ary ny fitsaboana biby. Misy ihany koa ny sampana cynophile, izay manana ny tolotra-ny manokana (famantarana, fiarovana, fanohanana) sy manofana ireo mpiasa miaraka sy ny alika araky ny fenitra azo antoka.
Miara-niasa tamin’ireo matihanina sy mpiara-miombon’antoka manana traikefa ny sekoly, mba hanolotra fiofanana hentitra, miorim-paka amin’ny tena zava-misy eto an-toerana. Ny fisian’ny MSA dia manatratra ireo fanamby mahakasika ny fampivoarana arak’asa, ny fiarovana, ny fiandrianam-pirenena ary ny fampandrosoana ara-toekarena.