Antsovela : Toerana any amin'ny farany atsimon'i Madagasikara
20 kilometatra miala an'Amboasary Atsimo no misy an'Antsovela. Toerana be karazan-tsilo io toerana io, saingy maitso mavana izay rehetra jerena satria manamorona azy na ny ranomamy na ny ranomasina.
Mbola manankarena ala sy zavamaniry maitso lmavana ny ao Atsimo, na dia eo aza ny haintany. Raha ny ao Antsovela manokana, mbola misy rano mandehaadio mangatsakatsaka, sady azo isotroana no hanasana lamba no hidiovana. Ampiasain'ireo mponina ihany koa ny ranon'ny Lac Anony, na dia mitambatra amin'ny ranomasina aza.
Vokatra voajanahary
Tsy dia mamboly legioma na voankazo firy ireo mponina ao Antsovela. Efa naniry tany an-toerana hatry ny ela ny fary ka mitohy hatrany ny fikarakarana izany zava-maniry azo hanina izany. Be ranony sady mamy tsara ny fary amin'ny vanim-potoana rehetra. Hita maniry eny rehetra eny moa ny raketa, hahazoana voankazo mena. Hanina amin'izao na atao ranom-boankazo moa io voantsilo io.

Varotra madinika
Amin'ny ankapobeny, miandry omby aman'osy ny lehilahy sy ny zazalahy. Misy ihany koa ireo manjono. Ireo vehivavy kosa mijanona an-trano mikarakara ny sakafo sy ny ankizy. Maro amin'ireo renim-pianakaviana nefa no manao varotra madinika : savony, labozia, hani-masaka, sns. Tsy adino ireo mpivarotra fary, na an-tanana na eny amoron-drano.
Mampiana-janaka tokoa ireo ray aman-dreny, saingy amin'ny ankapobeny dia ny fianarana ambaratonga voalohany ihany no tena vitan'ny ankizy. Matsilo saina tokoa nefa ireo ankizy satria mahazo sady mora mahay teny vahiny, indrindra ny teny Anglisy.
Fizahantany
Mandray mpizahantany sy mpiala sasatra ny ao Antsovela, na dia tsy mbola misy trano fandraisambahiny sy fisakafoanana aza. Hita ao mantsy ny Lac Anony, ranomamy midadasika mihaona amin'ny ranomasina. Madio ny rivotra sady mangingina ka azo angalana aina soa aman-tsara.
Mbola ao Antsovela ihany koa ny "Dune Dubaï", izay havoana ivondronana fasika fotsy, toy ireny any amin'ny tany efitra ireny mihitsy. Ranomasina moa no ao ambadik'ireo fasika misavovona ireo. Tsy dia mandoro firy ny masoandro rehefa atoandro, saingy mila arovana amin'ny fasika afafin'ny rivotra ny maso.

Asa Tanana
Misy tsilo karazam-bahona antsoina hoe Sisal, tena maniry any Amboasary Atsimo sy ny manodidina. Misy orinasa manana fambolena Sisal amina hektara maro mihitsy aza moa.
Alaina ny ravin'io zava-maniry io ka hanamboarana tady na kitapo. Manao izany amin'ny tanana ireo mponina any Antsovela, satria akora fototra ilain'ny mpanao asa tanana maro io vokatra io.
Lalam-pasika moa no aleha, ka tsy maintsy fiara tsy mataho-dalana na fitaovam-pitaterana natokana ho an'ny toerana feno fasika (toy ny quad) no ampiasaina amin'ny fitaterana. Tsy misy atahorana ny fandriampahalemana amin'ny ankapobeny.