• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Madagasikara

Réserve naturelle Berenty : Toerana arovana misy biby sy ala miavaka ao Amboasary Atsimo

18/06/2025 04:33 © Moov

Anisan'ny toeram-pizahantany manintona ireo vahiny mitsidika ny faritra atsimon'i Madagasikara ny Réserve naturelle Berenty ao Taolagnaro (Fort-Dauphin).

Tombony lehibe ho an'i Madagasikara ny fananana biby arovana isan-karazany. Ny ankamaroan'izy ireo dia tsy hita raha tsy eto amin'ny Nosy. Ny fitsidihana ireo biby ireo indrindra no misarika mpizahatany avy any ivelany, na mpiala sasatra na mpikaroka. Tsy vitsy ihany koa ireo teratany Malagasy avy ao afovoan-tany na faritra hafa no mifantoka amin'ny fizahantany anatiny, izany hoe miala sasatra sy mitsidika amin'ireo toerana voajanahary miavaka manerana ny Nosy.

Paradisakelin'Anôsy

Raha te hizaha karazana tarondro sy biby arovana isan-karazany, tsara raha mitsidika ny "Réserve naturelle Berenty". 86 kilometatra miala ny renivohitr'i Taolagnaro no misy azy, izany hoe lalana adiny roa latsaka eo ho eo. Misy trano ipetrahana sy fisakafoanana moa ao an-toerana, raha te hianoka ny natiora sy hiala ny tabataban'ny renivohitra.

Biby isan-karazany

Mendrika tsidahana tokoa ny Réserve naturelle Berenty, satria izy no faritra arovana natsangana voalohany indrindra teto Madagasikara. Tamin'ny taona 1938 dia efa nisy izany toerana mahafinaritra izany. Izy izany no toerana arovana nisy voalohany indrindra tao Amboasary Atsimo.
Manintona mpizahatany io toerana io satria tena tia olona ireo karazan-gidro ao : mandeha amin'ny lalan'olona mihitsy fa tsy voatery hiantona ambony hazo. Ny "Lémur Catta", miavaka amin'ny fananany rambo mainty sy fotsy mifanelanelana, no tena tsy matahotra olona. Tsy mampitsoaka azy ireo ny mahita mpitsidika, saingy tsy manaiky kasihana kosa nefa izy ireo.

Karazan-gidro

Hita ao amin'io toerana arovana io ihany koa ny "Varika", karazan-gidro miloko volon-tsokola izy io. Tsy dia tia olona izy ireo ka somary misintaka raha vao anantonana. Ny "Lémurien Blanc" kosa dia eny ambony hazo voamadilo no tena hahitana azy. Tia toerana avo kokoa izy ireo ka saika tsy midina ambany mihitsy. Tahaka izany koa ny Tsara ny manamarika fa misy "Lémurien nocturne" ihany koa ao Berenty, miloko volon-tsokola. Miafina sady matory anaty lava-bato na anelanelana tsilo izy amin'ny atoandro, ka amin'ny alina vao mandehandeha. Tsy mba tia miarakaraka ity karazana gidro ity, fa mandeha tsirairay. Tsy mamparatra azy ny tsilo fidiany ipetrahana, satria miaro ny tenany amin'ireo biby mitady hihinana azy izy.


Copyright Image : © Moov.mg

Biby mandady

Mikasika ireo biby mandady indray, ny voay, ny tarondro sy ny bibilava no mivelona ao amin'ny Réserve naturelle Berenty. Anaty faritra mifefy tsara moa ireo voay, na ny lehibe na ny kely, mba iarovana ny olombelona rehetra mivezivezy sy mitsidika ao. Ny tarondro sy ny bibilava kosa dia mila jerena anaty ala mikitroka, izany hoe mila mandeha tongotra kilometatra vitsivitsy. Rehefa vanim-potoana mangatsiaka nefa, misitrika ireo "reptiles" ireo.

Voronkely

Rehefa mitraka ny loha, tsy maintsy mahita vorona mandalo, indrindra rehefa maraindraina iny. Anisan'ny tazana matetika ny Domoina. Sarotra ny maka sary ireo karazam-borona satria avo dia avo no anidinany, sady ireo hazo lehibe sy be ravina no tena tiany.

Ala mizara roa

Hita ao amin'ny Réserve naturelle Berenty ny "plantes carnivores" sy ny alana tsilo. Tsy adino ny karazan-kazo be ravina sy misy voany. Mizara roa moa ny ala ao an-toerana. Ny faritra ambony dia "Fôret épineuse", izany hoe misy ireo karazan-tsilo mampiavaka ny faritra atsimo. Ny faritra ambany indray dia "Fôret grâcieuse" satria misy ny reniranon'i Mandrare ny sisiny. Ny hamandoan'io renirano io izany no maha-maitso mavana ireo hazo rehetra maniry ao, mandava-taona.
Tsy vitsy ireo "botanistes" manatanteraka fikarohana ao amin'ny Réserve naturelle Berenty. Maherin'ny 80%-ny zava-maniry ao an-toerana rahateo dia azo itrandrahana fanafody, izany hoe "plantes médicinales". Misy amin'ireo zava-maniry ireo, indrindra ny tsilo, no azo anamboarana trano. Misy karazan-tsilo iray ohatra fanamboaran'ireo Antandroy trano, ka manome endrika hazo izany avy eo. Mafy sy maharitra kokoa moa ny fotodrafitrasa amboarina amin'ny tsilo.


Copyright Image : © Moov.mg

Lire la suite

Articles Similaires