• Cours de change
  • 5088.44 AR
  • |
  • $4431.47 AR
Copyright Image : © Gouverneur Boeny
Image
Vaovao

Mahajanga : Mitohy ny fitsirihana eny anivon'ireo Tranombarotra lehibe sy salantsalany

19/06/2025 08:44 © Moov

Namoizana ain'olona 3 tao Mahajanga noho ny fahapoizinana ara-tsakafo nateraky ny "Charcuterie". Naharaisana fitarainana ihany koa ny "Yaourt" simba.

Naharay fitaraina avy amina mpanjifa ny Organe mixte de conception tao Boeny, mikasika ny Yaourt simba novidiana tamina tranombarotra lehibe. Etsy ankilany, mbola mandeha ihany koa ny fanadihadihana mikasika ny fihinanana "Charcuterie", izay nahafatesana olona telo.

Fitsirihana ifotony

Tontosa omaly ny fitsirihana ifotony teny amin'ilay Tranombarotra lehibe nividianan'ireo niharamboina ny "Charcuterie". Nangalana "échantillons" ireo vokatra amidy ka atao fitiliana eny anivon'ny Institut Pasteur de Madagascar. Tsy azo amidy intsony aloha ireo karazana Charcuteries ireo, mandra-pivoakan'ny valim-pitiliana. Arakaraka izay vokatra azo moa no handraisana fepetra fanampiny raha ilaina.
Mbola nanaovana fidinana ifotony ihany koa ny Tranombarotra iray nividianan'ny mpanjifa iray "Yaourt" efa nisy bobongolo. Rehefa tonga teny an-toerana ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo tompon'andraikitra maro dia nahita fa vaky ny varavaran’ny vitrine fampangatsiahana entana. Misy fahasimbana izany ilay "refrigérateur" tsy afaka hanome ny hatsiaka latsaky ny 4° izay takian'ny fitehirizana "produits laitiers". Tsy azo amidy intsony mihitsy ireo "Yaourt" rehetra ao anatin'io fitaovana simba io, mba hisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo.

Fepetra hentitra

Nanamafy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ao amin'ny faritra Boeny fa hitohy ny fanaraha-maso sy fitsidihana tampoka ireo fivarotana sakafo rehetra tehirizina amin’ny fampangatsiahana sy ireo sakafo lany daty manomboka izao. Hahazo taratasy fahazoan-dàlana ara-panjakana maniraka ireo Sampandraharaha roa ireo isaky ny manao izany fitsidihana izany hanamafisana ny fahefan'izy ireo manoloana ireo tompona fivarotana.
Noho izany indrindra, entanina ireo tompon'andraikitra eny anivon'ireo Tranombarotra lehibe, na salantsalany na madinika, mba hanaja ireo fepetra fitehirizana ireo sakafo mila fampangatsiahana. Andraikitra tsy azo ialana ny fanolorana vokatra ara-pahasalamana ho an'ny mpanjifa, na dia eo aza ireo sakana isan-karazany toy ny fahatapahan-jiro.

Fitandreman'ny besinimaro

Zava-poana ny fitehirizana ara-dalana ireo karazan-tsakafo mila fampangatsiahana ataon'ireo mpivarotra raha tsy manohy izany ireo mpanjifa. Mampidi-doza ohatra ny fitehirizana ireo karazana "produits laitiers" na charcuterie ela loatra ivelan'ny vata fampangatsiahana rehefa avy vidiana iny. Mankarary ihany koa ny mitahiry azy ireny elaela, indrindra raha tapaka matetika ny herinaratra. Entanina ny mpanjifa rehetra mba hamonjy fodiana sy hampiditra ireo vokatra mila hatsiaka anaty vata fampangatsiahana farak'izay haingana rehefa mividy azy ireny.
Amporisihina ihany koa ny fanamarinana ny daty farany azo hihinanana ilay sakafo. Entanina ihany koa ny fametrahana fitarainana eny anivon'ireo tompon'andraikitra mahefa raha misy fanamarihana, indrindra ny sakafo simba na mampiahiahy.

Lire la suite

Articles Similaires