• Cours de change
  • 5078.06 AR
  • |
  • $4431.23 AR
Copyright Image : © Forum Des Osc
Image
Vaovao

Fihaonamben’ny firaisamonimpirenena : Hanehoana vahaolana mivaingana mipaka eny ifotony

19/06/2025 11:47 © Moov.Mg

Hotanterahina ny 3 hatramin’ny 5 jolay, eny Alarobia Antananarivo, ny andiany faharoa amin’ny fihaonamben’ny vondron’ireo firaisamonimpirenena eto Madagasikara (Forum national des Organisations de la Société Civile). Handinihana ny anjara andraikitry ny firaisamonimpirenena eo amin’ny lafiny tontolo iainana sy ny fiarovana ny zon’olombelona ireo telo andro ireo.

Fifanakalozan-kevitry ny firaisamonimpirenena

“Firaisamonimpirenena mijoro ho an’ny hay tondra rariny, iombonana ary maharitra” no lohahevitra hovoizina mandritra ity « forum » hotanterahin’ny firaisamonimpirenena ity. Hetsika isan’ny hotontosaina mandritra ireo fotoana ireo ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny firaisamonimpirenena, ny andrim-panjakana, ny tanora, ny mponina eny ifotony ary ireo mpiara-miombon'antoka. Sehatra iray hanehoana vahaolana mivaingana sy mifandray amin'ny olona eny ifotony ihany koa ity hetsika ity. Ankoatra izay dia hisy ny andro manokana ho an'ny tanora : antsoina hoe : "Hack'Impact Jeunesse", izay hahafahan'ireo tanora maneho hevitra sy vina vaovao, ary hampahafantarana ireo tetikasa tarihin'ireo tanora sy ho an'ny tanora. Raha fehezina dia sehatra fifanakalozana sy hanitarana fiaraha-miasa eo amin’ny samy firaisamonimpirenena ireo fotoana ireo, fa indrindra ihany koa, hanomezan-danja indray ireo fanamby noraisin’ny firaisamonimpirenena eto Madagasikara.

Fanovana ny fitantanana

Ho an’ny WWF, izay mpiara-miombona antoka amin’ity hetsika ity, dia fotoana hampiraisan’ireo firaisamonim-pirenena feo, ho an’ny fanovana ny fitantanana eto Madagasikara, ity fihaonambe ity. Voakasik’izany manokana ny faharinganan'ny ala sy ny fahantran'ny mponina eny ifotony izay tsy mitsaha-mitombo. Eo ihany koa ny elanelana misy amin'ny fisitrahana ireo harena voajanahary. Manana andraikitra stratejika ny fikambanan’ny firaisamonimpirenena, hoy ny WWF, amin’ny maha-mpanelanelana azy eo amin’ny olom-pirenena, ny mpanapa-kevitra ary ny mpiara-miombon’antoka. « Izy ireo no mandray sy mampita ny feon’ny olom-pirenena, manohana ny mponina eny ifotony, ary mandray anjara mavitrika amin’ny fanovana ny fomba fitantanana ny tontolo iainana eto amin’ny firenena », hoy ny fampitam-baovao. Manan-danja lehibe ho an’ny firenena, araka izany, ny hetsiky ny firaisamonimpirenena sy ny fanavaozan’izy ireo hatrany ny andraikitra firotsahana noraisiny.

Lire la suite

Articles Similaires