• Cours de change
  • 5078.06 AR
  • |
  • $4431.23 AR
Copyright Image : © Pharma Gdd
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo olana ara-pahasalamana mety miteraka fihintsanan’ny volo

19/06/2025 14:39 © Moov.Mg

Tranga mety mahavoa ny rehetra, na ny lehilahy na ny vehivavy, ny fihintsanan’ny volo be loatra izay mety mampanify ny volo na mitarika fahasolana. Maro ireo anton-javatra mety mahatonga azy io, toy ny fototarazo, ny fikorontanan’ny hormonina, ny fanafody ary ny tsy fahatomombanana ara-pahasalamana sasany. Ireo olona ara-pahasalamana mety mampihintsana ny volo ary no ho resahana eto.

Tsy fahatomombanan’ny « glande thyroïde »

Ny « glande thyroïde » dia miandraikitra ny famokarana hormonina mandrindra ny « fonctions corporelles » maro, ka anisan’izany ny fampitomboana ny volo. Rehefa miasa be loatra (hypertactive) na tsy miasa tsara (hypothyroïde) ny « glande thyroïde » dia lasa mikorontana ny fitombon’ny volo ary mety lasa mihintsana ihany koa.

Tsy fahampiana otrikaina

Mila karazana otrikaina maro, toy ny vitamina, mineraly sy proteina ny vatana mba hampitombo sy hahasalama ny volo. Ny tsy fahampiana otrikaina « essentiels », toy ny fer, zinc, vitamina D sy biotine dia mety mampanify ny singam-bolo ary mety mampihintsana azy ireny.

« Maladies auto-immunes »

Ny atao hoe « maladies auto-immunes » dia aretina izay vokatry ny famotehan’ny hery fiarovana ireo sela salama ao amin’ny vatana. Ny « maladies auto-immunes », toy ny « alopécie areata » sy ny « lupus » dia mety miteraka fihintsanan’ny volo noho izy ireo mety manimba ny « follicules pileux ».

« Syndrome des ovaires polykystiques »

Ny « syndrome des ovaires polykystiques » dia fikorontanan’ny hormonina izay mahakasika vehivavy maro izay ao anatin’ny fe-taona ahafahana miteraka. Mety miteraka soritr’aretina maro izy io ka anisan’izany ny fanirian’ny volo be loatra eo amin’ny vatana, ny mony, ny fihenan’ny hatevin’ny singam-bolo na koa ny fihintsanan’ny volo.

Rarintsaina

Ny rarintsaina dia mety manakorontana ny « cycle de croissance » ny volo ary mety mampihintsana azy ireny. Rehefa maharitra tokoa mantsy ny rarintsaina dia lasa misy fiantraikany amin’ny famokarana ny hormonina. Lasa mitombo ny famokaran’ny vatana ny hormonina « androgènes » izay mampifintina ny « follicules pileux » ka lasa mampanify, mamparefo sy mampiongotra ny volo.

Fanafody sasany

Misy karazana fanafody sasany, toy ny ampiasaina amin’ny « chimiothérapie », ny « anticoagulants » ary ny « antidépresseurs » dia mety mitarika fihintsanan’ny volo. Izany hoe anisan’ireo « effets secondaires » an’ireo karazana fanafody mahery ireo ny fihongotan’ny volo.

Lire la suite

Articles Similaires