• Cours de change
  • 5084.3 AR
  • |
  • $4431.31 AR
Copyright Image : © S Radio Manakara
Image
Vaovao

Résultats CEPE 2025 : Andrasana ny vokatra ho an'Antananarivo Renivohitra

23/06/2025 10:01 © Moov

Efa marobe ireo CISCO namoaka ny valim-panadinana CEPE 2025 tamin'iny faraparan'ny herinandro iny. Mbola tsy nivoaka kosa nefa ny vokatra ho an'Antananarivo Renivohitra.

Andrasana androany 23 jona na rahampitso 24 jona ny Résultats CEPE 2025 ho an'ny CISCO Antananarivo Renivohitra. Mangitakitaka tokoa ireo kilongakely sy ireo Ray aman-dreny eo am-piandrasana izany voka-panadinana izany. Efa maro dia maro mantsy ireo mpanala fanadinana efa nisitraka vokatra. Anisan'izany ohatra ny mpiadina teny amin'ny CISCO Avaradrano sy Atsimondrano, nahazo vokatra omaly alahady 22 jona.
Efa nivoaka ihany koa ny valim-panadinana ho an'ireo CISCO manodidina an'Antananarivo : Ambatolampy, Antsirabe, Ambbatondrazaka, Manandriana, Brickaville, Anjozorobe, sns. Efa manana voka-panadinana ihany koa ny ankamaroan'ireo renivohi-paritany sy ireo nosikely manodidina an'i Madagasikara, dia i Fianarantsoa, Mahajanga, Toliara, Antsiranana, Nosy Be ary Sainte Marie.

Fijerena voka-panadinana CEPE

Azo jerena amin'ny Tranokalan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ny Résultats CEPE 2025, ho an'ireo mpiadina amin'ny CISCO efa namoaka vokatra. Ny "Numéro matricule" no itadiavana ny vokatra amin'izany. Azo atao ihany koa ny mangataka ny valim-panadinana amin'ny SMS, ka ny laharana 601 no andefasana somaiso ny "Numéro matricule", na inona na inona ny tambazotra ampiasaina. Maro ihany koa ireo ray aman-dreny mbola manantona "Centre d'examen" ka mijery peta-drindrina, indrindra ho an'ireo toerana lavitry ny renivohitra.
Amin'ny ankapobeny, tena tsara ny voka-panadinana CEPE 2025. Ny tany Toliara I ohatra dia mahatratra 94,76% ny taham-pahafahana raha 92,02% ny an'Antsiranana II ary 88,04% ny an'i Fianarantsoa. Ho an'ny eto afovoantany kosa, 94,08% ny taham-pahafahana ho an'Antananarivo Avaradrano, ary 90,86% ho an'Antananarivo Atsimondrano. Tsiahivina fa miisa 571 367 ireo ankizy niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE 2025 manerana an’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires