Asaramanitra : Nanolotra tohana ho an’ny olona manana fahasembanana ny Axian
Manana zo ny hifaly, toy ny Malagasy rehetra, ireo olona manana fahasembanana, amin’izao fetin’ny asaramanitra izao. Noho izany indrindra dia adidy amin’ny fiarahamonina noraisin’ny vondron’orinasa Axian, amin’ny alalan’ny Fondation Axian, ny fanolorana fanomezana manokana ho an’ireo olona marefo, amin’izao ankatoky ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-65 niverenan’ny fahaleovantena izao.
Tohana hiatrehana ny fety
Miisa 90 mahery ankehitriny ireo olona manana fahasembanana, sady miaina ao anaty fahasahiranana, izay tohanan’ny Fondation Axian, amin’ny alalan’ny vola fanampiana omena azy ireo isam-bolana. Rehefa ankatoky ny fety tahaka izao kosa, dia misy fanomezana fanampiny, atolotry ny Axian ho azy ireo, ho entiny miatrika izany. Indroa isan-taona eo ho eo no hanatanterahan’ity orinasa ity izany.
Natao mba ihaonana amin’ireo mpisitraka tohana ihany koa ny fotoana tahaka izao, ifampiresahan’ireo ekipan’ny vondrona Axian amin’izy ireo, hahafantarana bebe kokoa ny momba ny filàny, hoy ny fanazavan-dRazakamanantsoa Jessica, tomponandraikitry ny fifandraisana amin'ny fiarahamonina (community relation manager) eo anivon’ity vondron’orinasa ity.
Fanomezana ho an’ireo manana fahasembanana
Telo taona izao ny Groupe Axian no nirotsaka tamin’ny fanohanana ireo olona manana fahasembanana sady marefo ara-pivelomana. Tolorana vola fanampiana isam-bolana izy ireo, izay ampiasainy araka ny filàny avy. Misy amin’izy ireo no mampiasa izany ho hofan-trano, handoavana vidin-jiro, saram-pianarana, adidy eny anivon'ny Fokontany, na ihany koa atao sakafo isan'andro. Nitombo isan-taona, tao anatin’izay 3 taona izay, ny sandam-bola atolotra azy ireo, mba hifanaraka amin’ny vidim-piainana sy ny filàna ambaran’ireo mpisitraka.
Ho fanampin’izany, dia notolorana vary sy biskoitra izy ireo, androany 24 jona 2025, teny amin’ny Galaxy Andraharo, ho fanampiana azy ireo amin’ny fiatrehana ny fetin’ny 26 jona. Ankoatra ny tohana ho an’ireto olona manana fahasembanana ireto, dia nisy ihany koa ny fanomezana natolotry ny vondrona Axian ho an’ireo Kaominina sy Fokontany maro manerana an’i Madagasikara, izay hozaraina amin’ireo mponina tena marefo, amin’izao fankalazana ny fetim-pirenena malagasy izao.
Vinan’ny Vondrona Axian ny handray mpisitraka vaovao miisa 10, amin’ity taona 2025 ity, ka ankizy sahirana sady manana fahasembanana, latsaky ny 15 taona avokoa izy ireo.