• Cours de change
  • 5129.98 AR
  • |
  • $4421.64 AR
Copyright Image : © Unicef Madagascar
Image
Vaovao

Androy : Tokantrano miisa 23 nanaiky nanganana toeram-pidiovana mifanaraka amin’ny kolontsainy

24/06/2025 15:37 © Moov

Any Sihanamaro, any amin’ny faritra Androy, olona miisa 125 amin’ny tokantrano 23 no mampiasa toeram-pidiovana mifanaraka amin’ny kolontsainy. Fiovana tamin’ny alalan’ny fomba fiasa mifototra amin'ny fiaraha-monina manaja ny fomban-drazana. Ny ONG SAHI no mitarika izany miaraka amin'ny fanohanan'ny UNICEF.

Avy amin’ny fiarahamonina, ho an’ny fiarahamonina

Ho an’ity tanàna iray somary lavitra ao amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara ity, ny tsy fisian'ny toeram-pidiovana dia nampifandraisina tamin'ny fady ara-kolontsaina. Voalaza tamin’izany, hoy azy ireo, fa voarara ny mitahiry fako "maloto" ao an-trano na eo akaikin'ny trano. Ny fanaovana maloto an-kalamanjana izany no nahazatra. Izany fanao izany nefa dia miteraka loza ara-pahasalamana lehibe. Anisan'izany ny fiparitahan'ny aretina mifandray amin'ny rano sy ny fahadiovana.
Manoloana izany toe-javatra izany dia nifampiresaka naharitra tamin’ireo mponina ao Tsilimbe Marofoty, 15 km miala an’i Sihanamaro, ny ONG SAHI, mpikambana ao amin’ny Structure Régionale de Coordination des Activités SBC (SRCA). Niofana tamin’ny fomba fanolorana vahaolana miainga amin’ny zava-misy isaky ny toerana izy ireo ka tsy nametraka vahaolana efa nivononana mialoha. Tamin'ny alalan'ny fifampizarana mifototra amin’ny fiahiana ny hafa no nitarihan'izy ireo ny mponina mba hiova hevitra. Niaraka nosainina tamin’izany ny soatoavina ara-kolontsaina sy ny filàna mikasika ny fahasalamam-bahoaka.

Trano fidiovana eken'ny rehetra

Vokatr’ireo fifampiresahana ireo dia neken’ny vondrom-piarahamonina ny fanamboarana ireo trano fidiovana. Nametraka fepetra kosa anefa izy ireo hoe apetraka lavitra ny tranony mba hitandrovana ny fombany. Vita avy amin'ny akora misy eto an-toerana izy ireo ary nampiana fitaovana fanasana tànana amin'ny tavoahangy plastika. Amin’izao fotoana izao, dia olona 125, vehivavy sy ankizy ny ankamaroany, no samy manana ny azy manokana.
Ity hetsika ity dia nanampy tamin'ny fanovana ny fitondran-tena tsy manohintohina ny fomban-drazana, ary manatsara ny fahasalaman'ny tanàna manontolo. Mety hanentanana ny vondrom-piarahamonina hafa manana fady mitovy amin'izany ihany koa ity fomba fiasa ity. Nanamarika ny UNICEF fa manaporofo ireo asa vita ireo fa afaka miaraka ny fomban-drazana sy ny fandrosoana.

Lire la suite

Articles Similaires