25 jona : Fety iombonan'Antananarivo eny amin'ny Lac Iarivo
Eny amin'ny tanàna vaovao Ivato no ankalazana ny takarivan'ny 25 jona, amin'izao ankatoky ny fankalazana ny faha-65 taonan'ny fahaleovantena izao.
Tamin'ny 12 ora teo ho eo dia efa nanomboka vory lanona teny Tsarasaotra, manoloana ny "sary Vorona" ireo mpanao arendrina mikasa ny ho eny amin'ny Lac Iarivo. Araka ny fandaminan'ireo tompon'andraikitra, tapaka tanteraka ny lalana Tsarasaotra # Ivato, ka efa misy ireo fiarabe mpitatitra ireo hamonjy ny fety eny amin'ny Lac Iarivo.
Fiara mandeha amin'ny herinaratra
Androany 25 jona no ampiasàna voalohany ireo "Bus électrique". Ireo fiarabe ekolojika ireo no mitatitra ireo mpanao arendrina mandroso sy miverina, nanomboka tamin'ny 1 ora tolakandro teo. Maimaimpoana moa ny fitaterana ireo mpanao arendrina.
Efa misy toerana malalaka natokana ho an'ireo mpanotrona eny amin'ny Lac Iarivo. Samy hahazo ny anjarany avokoa ny rehetra amin'ny seho miavaka amin'ny alalan'ny jiro sy ny afomanga rahariva. Marihana fa amin'ny 7 ora hariva no manomboka ny Afomanga, Show Drone sy Show Jet d'eau. Ny mponin'Antananarivo sy ny manodidina rehetra no asaina hanatrika ny lanonana. Azo atao tsara moa ny mandeha an-tongotra mihazo ny Lac Iarivo raha avy eny Ivato Tanàna.
Ho an'ireo tsy afaka mamonjy ny eny amin'ny Lac Iarivo noho ny antony maro, hisy ny fampitana mivantana amin'ny fahitalavi-pirenena TVM. Ankoatr'izay, azo antoka fa hahatazana ny Afomanga tahaka ny mahazatra ireo toerana ambony eto Antananarivo. Maromaro ihany koa ireo tompon'andraikitra manomana afomanga sy fanentanana isan-karazany any amin'ny faritra ivelan'Antananarivo, indrindra any amin'ireo renivohi-paritany.
Fanajana ny fahadiovana
Efa napetraka eny amin'ny manodidina ny Lac Iarivo ireo fotodrafitr'asa fidiovana sy fanariana fako. Nanentana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra, Harilala Ramanantsoa, ny amin'ny hanajan'ny rehetra ny fahadiovana mandritra ny fety. Tsy tokony hiparitaka etsy sy eroa ny maloto sy ny fako, mba ho antoky ny fifanajana sy ny fahasalamana.
Ho an'ny rahampitso 26 jona 2025, eny amin'ny Kianjaben'i Mahamasina ny fotoana. Hisy ny matso lehibe tahaka ny fanao isan-taona. Amin'ny 10 ora maraina no hanomboka ny lanonana.