Fahasalamana : Navaozina ny torolalana hametrahana toeram-pitsaboana "Sakaizan’ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fahadiovana"
Natolotra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao amin’ny CHRD Anosy Avaratra, Avaradrano, ny torolalana nohavaozina hahafahana mametraka "Tobim-pahasalamana sakaizan’ny Rano, Fidiovana sy Fahadiovana". Natao ity fanavaozana ity ho fanatsorana ny fampiharana azy eny anivon’ireo toerana eny ifotony. Entina ihany koa, hampanarahana ny zava-misy eny amin’ny toeram-pitsaboana amin’ny zava-misy ankehitriny, indrindra ireo fepetra manoloana ny fiovan’ny toetrandro.
Fitaovana mifanaraka amin’ny filàna ankehitriny
Io torolalana nohavaozina io dia natokana ho an’ireo tobim-pahasalamana toy ny CSB, CHRD ary ny CHRR. Voarakitra ao anatiny ny dingana arahina hahazoana ilay mari-pankasitrahana, mifanaraka amin’ny sokajin’izy ireo avy. Tanjona roa no kendrena dia ny hanamorana ny fanatanterahana azy sy hampifanaraka azy amin’ny zava-misy ankehitriny, Anisan’izany ny fepetra arahina hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza mitatao ara-tontolo iainana.
Marihina fa ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no namolavola io torolalana io niaraka tamin’ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola avy amin’ny tetikasa PAAEP. Ny PAAEP moa dia tetikasa eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, izay miasa ao amin’ny tobim-pahasalamana miisa 70 manerana ny faritra dimy : Analamanga, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy ary Fitovinany. Ankoatra ny tohana ara-bola dia mampiofana ireo mpiantsehatra mba hanan’izy ireo fihetsika mahomby amin’ny lafin’ny « Rano, Fanadiovana sy Fidiovana », ihany koa izy ireo.
Fitsaboana madio sy azo antoka
Mikendry ny hanatsara ny fotodrafitrasa sy ny fahaiza-mitantana ara-EAH (Rano, Fidiovana, Fanadiovana) amin’ireo tobim-pahasalamana iasan’ny tetikasa PAAEP, araka izany ity torolalana ity.
Nambaràn’ny mpandrindra nasionaly fa manolo-tena hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra ny tetikasa, ho fanatsarana ny toeram-pitsaboana. Nanentana ihany koa izy ny amin’ny fanapariahana manerana ny faritra ity torolalana vaovao ity, mba hampitomboana ireo toeram-pitsaboana afaka mametraka ireo rafitra ireo.