• Cours de change
  • 5161.93 AR
  • |
  • $4406.45 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Nationale

Antanimbary Maevatanana : Tsenaben'ny tanàna ny andro alahady

06/07/2025 20:34 © Moov

RN4. 33 kilometatra tsy hidirana an'i Maevatanana, raha avy eto Antananarivo, no misy an'Antanimbary.

Toerana iray tsy maintsy lalovana i Antanimbary raha hihazo an'i Mahajanga na i Antsiranana. Na alahady aza ny andro, maresaka be ny eo an-tanana. Somary misy fitohanana mihitsy satria andro tsena ny andro alahady. Amin'io andro io mantsy, miakatra an-drenivohitra avokoa ireo mponina amin'ny tanàna kely manodidina ka mividy izay zavatra ilaina ao an-tokantrano mandritra ny herinandro.
Tanana mpamokatra vary teo aloha
Tsy napetrapetraka foana ny anaran-tanana hoe "Antanimbary". Anisan'ireo mpamokatra vary tokoa mantsy ny mponina ao, na dia eo aza ny hafanana be. Noho ny fiovan'ny toetrandro sy ny fahasimban'ny tontolo iainana nefa, miha-vitsy ireo mpamboly vary ao Antanimbary. Miha-tsy mahavokatra ihany koa ny tany, ka vitsy sisa ireo mponina no mamokatra legioma sy voankazo. Saika afarana avy eto Antananarivo avokoa ireo PPN sy vokatry ny tany hanin'ny mponina amin'ny andavan'andro.
Manjaka ny doro tanety eny amin'ny manodidina an'Antanimbary, indrindra moa ireo toerana tsy misy mipetraka. Entina hanafainganana ny fanirian'ny bozaka moa izany matetika, na dia fanimbanan ny tontolo iainana aza.

Tsenan'ny kojakoja ilaina andavan'andro

Tsy dia tazana firy ireo vokatry ny tany na karazan-tsakafo amin'ny andron'ny tsena ao Antanimbary. Ireo kojakoja ilaina amin'ny andavan'andro no tena mameno ny tsena : akanjo, kiraro, kitapo/poketra, firavaka, vilany, finday, sns. Maromaro ireo mpandraharaha maka entana eto Antananarivo ka mamarotra izany ao an-toerana. Tsy vitsy ihany koa ireo mpanao varo-mandeha mandalo, izay mitety ny faritra avaratra rehetra iny.

Efa tena mandroso moa ny ao Antanimbary ka tsy mila mivezivezy ny mponina raha misy zavatra tokony vidiana na mampiana-janaka na hitsabo tena. Mandry fahalemana ny tanàna amin'ny ankapobeny. Misy sekoly, biraon'ny zandarimaria, toeram-pitsaboana sy toeram-pivarotana isan-karazany ao an-toerana.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires