• Cours de change
  • 5110.33 AR
  • |
  • $4411.06 AR
Copyright Image : © Cuisine Az
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « tarte aux courgettes fromage »

09/07/2025 14:53 © Moov.Mg

Anisan’ireo legioma mora eny an-tsena eny amin’izao ny korzety. Tsikaritra fa maro eny amin’ny fiarahamonina eny no tsy dia tia azy ireny. Marihana nefa fa afaka hanaovana karazana nahandro matsiro maro karazany ity legioma ity. Ny fanaovana « tarte aux courgettes fromage » indray ary no entina eto, sady matsiro no mora karakaraina.

Ireo akora ilaina raha hanao « tarte aux courgettes fromage »

-Pâte brisée 1 ;
-Fromazy voakiky 150g ;
-Korzety lehibe 2 ;
-Crème liquide 15sl ;
-Atody 3 ;
-Persily voatetika madinika 2 sotro fihinanana ;
-Menaka oliva 2 sotro fihinanana ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Hafanaina amin’ny hafanana 200°C ny lafaoro. Velarina anaty lasitra ny pâte brisée efa vonona ampiasaina. Efa natoro teto moa ny fanamboarana azy ireny. Afaka atao ihany koa ny mividy azy io efa vonona vita eny amin’ny tranombarotra lehibe eny. Rehefa mandrakotra tsara ny lasitra ny paty dia tsindromina kely amin’ny sotrorovitra.
Sasana tsara ny korzety avy eo tetehana boribory sy manify. Hafanaina anaty lapoaly ny menaka oliva ary arotsaka ao ny korzety voatetika. Arotsaka manarak’izay ny persily, ny sira sy dipoavatra. Endasina amin’ny afo antonony mandritra ny 10 minitra sady aroharohana matetika. Tandremana mba tsy ho potika ireo korzety.
Kapohana anaty lovia jobo lehibe ny atody. Alefa ao ny crème liquide, ny fromazy voatetika ary ny sira sy dipoavatra. Kapohana amin’ny fouet mba hifangaro tsara.
Arotsaka eo ambonin’ilay paty anaty lasitra io fangaro tanaty lovia jobo io. Rehefa vita izay dia alahatra tsara eo amboniny ny korzety. Andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 200°C mandritra ny 30 minitra eo ho eo. Aroso mafana.

Lire la suite

Articles Similaires