« Allergie au froid » na Tsy fahazakana hatsiaka : inona no atao ?
Rehefa vanim-potoana ririnina toy izao dia maro ireo aretina sy olana ara-pahasalamana mitranga, toy ny sery, gripa, fanaviana… Ankoatra izay dia mety misy ihany koa ny « allergie au froid » na hoe tsy fahazakana hatsiaka. Andeha ho resahana eto ny momba ity karazana « allergie » ity, ny fomba fisehony sy ny atao manoloana izany.
Inona no atao hoe « allergie au froid » na ny tsy fahazakana hatsiaka ?
Ny « allergie au froid » na ny tsy fahazakana hatsiaka dia « réaction allergique » mahazo ny hoditra vokatry ny hatsiaka. Rehefa tratry ny hatsiaka ny olona manao ity « allergie » ity dia miseho amin’ny fomba samihafa eo amin’ny hodiny izany : mivaramena, mangidihidy ary mety misy « urticaire » na fivontosana mipoitra. Mety samihafa ny fisehon’izy io, miankina amin’ny fahasarotany.
Eo amin’ireo tranga misy fahasarotana dia mila fandraisana an-tanana manokana ny fitsaboana ny « allergie au froid ». Arak’izany dia mety mitarika fanelingelenana eo amin’ny andavanandro ny ity tsy fahazakana hatsiaka ity ka mahatonga ireo olona voakasik’izany hanamafy ny fiarovan-tena amin’ny hatsiaka rehefa ririnina toy izao.
Ireo antony mety mahatonga ny tsy fahazakana hatsiaka
Maro ireo anton-javatra mety mitarika ny tsy fahazakana hatsiaka. Mbola tsy fantatra mazava hatreto ireo antony mivantana mahatonga azy io, misy kosa nefa ireo heverina fa mety hitarika azy, toy ny :
-« Réaction » ny hoditra eo amin’ny karazan’olona mora handairan’ny hatsiaka ny hodiny. Izany dia miteraka « réactions allergiques » ;
-Fototarazo izay mahatonga ny olona sasany ho voakasik’ity tsy fahazakana hatsiaka ity kokoa ;
-Tsy fahatomombanana na fahalemen’ny hery fiarovana ka mahatonga ny hoditra tsy hahazaka hatsiaka.
Ireo soritr’aretina mety miseho
Tsy voatery mitovy ny fomba fisehon’ny tsy fahazakana hatsiaka na « allergie au froid » eo amin’ny olona tsirairay. Anisan’ireo soritr’aretina mety miseho ny :
-« Réactions cutanées » na ny fambara miseho eo amin’ny hoditra, toy ny hoe mivaramena, mangidihidy, bontsibontsina, « urticaire » na hoe misy « plaques » mena sy mibontsina mipoitra eo amin’ny hoditra, mavaivay eo amin’ny faritra tratry ny hatsiaka, indrindra ny tarehy sy ny tanana ;
-Fivontosana eo amin’ny faritra tena tratry ny hatsiaka, toy tanana, tongotra, tarehy, molotra ;
-Fahasahiranana miaina na fahasemporana, mievonevona, maneno ny tratra rehefa miaina ;
-Fambara tsy dia fahita, toy ny hoe maloiloy, marary ny kibo, tsy mahazo aina…
Ahoana ny fitsaboana ny « allergie au froid » ?
Ny fihinanana fanafody fitsaboana « allergie » no mampitony ireo soritr’aretin’ny « allergie au froid ». Ankoatra izay dia mila arovana tsara amin’ny hatsiaka ny faritra rehetra amin’ny vatana, indrindra ireo mora handairan’ny hatsiaka. Ny mpitsabo ihany no mamaritra ny karazana fanafody sahaza ny tsirairay, miainkina amin’ny fahasarotan’ilay tsy fahazakana hatsiaka.
Ankoatra izay dia misy ireo fepetra tsara raisina mba tsy hampihetsika ity « allergie » ity rehefa vaninandro mangatsiaka toy izao. Anisan’ny atao amin’izany ny fanaovana akanjo mafana sy ny fanaoavana « gants », « bonnet » sy aro-tenda. Fadiana ny misasa na mandro amin’ny rano mangatsiaka, ny misotro sy mihinana zavatra mangatsiaka be.