Politika : Hivoaka ny fonja i Rolly Mercia
Hivoaka ny Fonjan'Antanimora rahampitso alarobia 16 jolay 2025 i Harry Laurent Rahajason, fantatra amin'ny solon'anarana hoe Rolly Mercia, minisitry ny Serasera teo aloha.
6 taona sy 5 volana no nitazonana am-ponja an'i Rolly Mercia. Olon'ny serasera ny tenany, efa minisitry ny Serasera tamin'ny Tetezamita notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina, sy tamin'ny fitondran'ny Filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina.
Sazy tsy nisy famindrampo
44 volana ny sazin'i Rolly Mercia noho ny « atteinte à la sûreté de l’Etat, rébellion et attroupement sans autorisation sur la voie publique ». Voarohirohy tamin'ny fanohintohinana ny filaminana ny tenany noho ny hetsika nataona andian’olona nandoro kodiarana sy nilanja sorabaventy mitaky ny amoahana am-ponja an’i Berija Ravelomanantsoa. Tokony nivoaka ny 16 janoary 2023 ny tenany rehefa nahavita io sazy 44 volana na 3 taona mahery io. Nitontona indray nefa ny sazy vaovao ka tsy afa-niala ny tenany.
Mbola nisy 30 volana ihany koa ny saziny, izany hoe 2 taona mahery, noho ny "faux témoignage" na fijoroany vavolombelona mandainga tamin'ny raharaha nifanandrinany tamina mpandraharaha matanjaka iray. Tany amin'ny Parquet National Financier (PNF) Paris moa no nitsarana ilay ady.
Gadra politika
Niteraka adihevitra sy resabe teo amin’ny sehatra politika sy fiarahamonim-pirenena ny raharaha mikasika an’i Rolly Mercia. Mbola manaitra ny sain’ny maro hatramin’izao ireo karazana fanasaziana nampiharina taminy, ka resaka politika tsy nifanarahana no heverina fa nampamay ny toe-draharaha. Tsy nahazo fanalefahan-tsazy na famindrampo mihitsy ny tenany.
Andrasana ny fanambaràna ofisialy avy amin’ny tenany na ny fianakaviany momba ny famoahana azy. Nandalo tsy fahasalamana mantsy i Rolly Mercia nandritra ny nitazomana am-ponja azy, ka efa kivy ireo akaiky azy tamin'ny fotoana nanalavana ny saziny indray.