Fomba fanamboarana « hydrolat floral » ao an-trano
Vokatra fikarakarana hoditra mitondra vokatsoa maro ny « hydrolat floral » na « eau floral ». Manampy amin’ny fanadiovana ny hoditra izy io. Mazava ho azy fa efa maro ireo vokatra vonona ampiasaina afaka vidiana eny amin’ny mpivarotra na farmasia eny. Azo atao ihany koa ny manamboatra azy io ao an-trano. Araho eto ary ny fanaovana « hydrolat floral » natoraly.
Ireo akora ampiasaina
-Voninkazo « fraîches » izay tiana, toy ny raozy 100 hatramin’ny 200g ;
-« Glaçons » 300g ;
-« Eau distillée » na « de source » 500ml hatramin’ny 1 litatra. Tsy mety ny rano amin’ny paompy satria be « calcaire ».
Ireo dingana amin’ny fanaovana azy
Homanina ireo fitaovana ampiasaina. Sasana tsara ny « faitout » na vilany lehibe misy sarony « transparent » afaka asiana « panier vapeur ». Diovina tsara ihany koa ny bol kely antonona ao anatin’ilay vilany ary ny tavoahangy kely asiana ilay « hydrolat » rehefa vita.
Araraka anatin’ilay vilany ny « eau distillée » na ny « eau de source ». Apetraka eo amboniny ilay « panier vapeur ». Tsy azo atao mikasika ilay rano anaty vilany.
Alahatra tsara eo ambonin’ilay « panier vapeur » ireo voninkazo. Apetraka eo afovoan’ilay « panier » ilay « bol », izany hoe eo afovoan’ireo voninkazo. Ny « bol » no hitaty ilay « hydrolat » na ilay rano avy amin’ny enton’ireo voninkazo.
Saromana ilay vilany ary atao mivadika io sarony io mba hilatsaka anatin’ilay « bol » ireo entona. Atao eo ambonin’ilay sarom-bilany ny « glaçons ». Io hatsiaka io dia miteraka « choc thermique » mba hampivadika ny entona ho lasa rano.
Hafanaina ambony afo malefaka ilay vilany. Mila mangotraka moramora ilay rano fa tsy tokony hangotraka be loatra.
Avela hitanika eo mandritra ny 30 hatramin’ny 45 minitra eo ho eo mandrapitsonik’ireo « glaçons » sy hahazoana « hydrolat » betsaka anatin’ilay « bol ». Raha mitsonika aloha be ireo « glaçons » dia soloina hafa.
Bataina teo ambony afo ny vilany. Avela hangatstsiaka vao kitihina. Esorina ilay sarom-bilany sy ny « bol ». Tatavanina ary araraka anatin’ilay tavoahangy ilay « hydrolat ». Tavoahangy miloko sy tsy ahitana ny ao anatiny no ampiasaina. Tehirizina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 1 volana. Tsy azo ampiasaina intsony aorian’izay.