• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Fahalalana Ankapobeny

Mbola afaka hoanina ve ny ovy efa mitsiry ?

12/06/2025 14:24 © Moov.Mg

Toe-javatra mety miseho ny hoe lasa mitsiry ny ovy rehefa tehirizina mandritra ny andro maromaro. Izany hoe lasa misy toy ny fakany kely mipoitra eo amin’ny vatany. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : mbola afaka hoanina ve ireny ovy mitsiry ireny ? Tsy atahorana hanampoizina ve ? Andeha ho resahana eto ny mikasik’izany.

Misy poizina ny tsimoky ny ovy efa mitsiry

Azo lazaina ho misy poizina ny tsimoky ny ovy efa mitsiry noho izy mitahiry « solanine ». Ity farany dia singa hita ao anaty legioma maro ka miaro azy ireny amin’ny aretina sasany mety azo avy amin’ny bibikely na ny « champignons ». Mety manampoizina ny « solanine » ka mitarika soritr’aretina toy ny hoe tsemboka be, mandoa, mivalana, marary andoha na koa mahasempotra. Marihana nefa fa tena mahalana ny fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny « solanine » satria mila hoe tafihinana fatra betsaka vao tonga amin’izany.

Azo hoanina ve ny ovy efa mitsiry ?

Araka ny voalaza teo ambony dia mety miteraka fanapoizinana ara-tsakafo ny fihinanana ovy efa mitsiry na dia tena mahalana be ary izany vao mitranga. Raha toa ka vitsy kely ny tsimoka eo amin’ilay ovy dia somary potserina kely ilay ovy. Raha mbola mafy tsara ity farany dia mbola azo atao ny mihinana azy. Tandremana tsara kosa nefa mba esorina tsara amin’ny fakany amin’ny alalan’ny antsy ireo tsimoka sy ireo faritra somary simba aminy.
Raha toa kosa ka be dia be ireo tsimoka, ary misy simba maro eo amin’ilay ovy dia tsy mahazo hoanina intsony. Indrindra moa ka malemilemy ilay legioma rehefa tsapaina. Midika mantsy izany fa efa lo mihintsy izy io ka vao maika hanampoizina raha hoanina.

Ahoana ny fomba fandrahoana ny ovy efa mitsiry ?

Tsy misy fomba manokana handrahoina ny ovy efa mitsiry, eny na dia efa misy tsimoka vitsivitsy aza. Azo andrahoina araka izay hitiavana azy, toy ny ovy mahazatra, izy ireny rehefa nesorina tsara ireo tsimoka sy faritra mety ho simba eo aminy. Araki’izany dia afaka andrahoina atao amin’ny lasopy, atao fangaron-daoka na koa endasina ireo ovy ireo ary tsy tokony hisy fiantraikany eo amin’ny tsirony izany.

Lire la suite

Articles Similaires