• Cours de change
  • 5117.22 AR
  • |
  • $4436.63 AR
Copyright Image : © Truc-Mania
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ririnina : fikafika hikarakarana ny hodi-tava mivaramena sy makiana

24/07/2025 15:53 © Moov.Mg

Rehefa ririnina toy izao dia mihamarefo ny hodi-tava vokatry ny hatsiaka, ny rivotra, ny andro maina… Mila manaraka fomba fikarakarana hoditra mifanaraka amin’izany ary mba hanomezana fanamandinana, fiarovana sy sakafo ny hoditra. Ho an’ireo tsy mahazaka hatsiaka ka lasa makiana sy mivaramena ny hoditra dia ireto misy fikafika natoraly fikoloana ny hodi-tava tsara ampiharina.

« Masque réparateur » vita amin’ny akondro sy tantely

Fikafika natoraly mandaitra ho an’ireo manana karazana hoditra makiana sy mora vakivaky ny « maque réparateur » vita amin’ny akondro sy tantely. Ny akondro dia manana fiasa « réparatrice » sy « nourrisante » noho izy manankarena vitamina A, B, E sy potassioma. Ny tantely etsy andaniny dia manamandina ny hoditra sy miaro azy tsy ho maina.
Potserina ary ny akondro masaka tsara tapany. Asiana tantely 1 sotro fihinanana ary « huile d’amande douce » kely. Atao potsitra tsara ary afangaro tsara. Io fangaro io no ahosotra eo amin’ny tarehy efa madio sy namainina tsara. Avela hilona 30 minitra avy eo kobanina amin’ny rano matimaty. Atao in-droa isan-kerinandro.

« Huile démaquillante » vita amin’ny « beurre de karité »

Ity fangaro natoraly ity indray dia tena mety amin’ireo manana karazana hoditra marefo (sensibles) sy maina. Ny « beurre de karité » dia mitondra vokatsoa maro ho an’ny hoditra makiana. Manome sakafo azy io ary miaro azy amin’ireo « agressions » avy any ivelany izy.
Tsotra ny fikarakarana azy. Atsonika miadana amin’ny « bain-marie » ny « beurre de karité » 1 sotro fihinanana. Rehefa mitsonika tsara dia afangaro amin’ny menaka oliva na « huile d’amande douce » 2 sotro fihinanana. Afindra anaty boaty kely madio sy maina tsara dia avela hangatsiaka.

Lire la suite

Articles Similaires