• Cours de change
  • 5117.22 AR
  • |
  • $4436.63 AR
Copyright Image : © Tapis Auto
Image
Fahalalana Ankapobeny

Torohevitra tsotra hanadiovana ny « tapis/moquettes » ny fiara

22/07/2025 15:21 © Moov.Mg

Faritra mora maloto sy mitahiry fofona ratsy ny « tapis » sy « moquettes » ny fiara. Mila diovina matetika izy ireny mba haharitra sy hadio lalandava. Atoro eto ary ny fomba tsotra hanadiovana sy hikojakojana ny « tapis » sy « moquettes » ny fiara.

Dingana 1 : omanina ny vokatra fanadiovana

Mazava ho azy fa efa misy eny amin’ny mpivarotra eny ny vokatra manokana fanadiovana ny « tapis » sy « moquettes » ny fiara efa vonona ampiasaina. Azo atao ihany koa nefa ny manamboatra vokatra fanadiovana tsotra nefa mandaitra vita ao an-trano toy ity atoro eto ity.
Arotsaka anaty koveta kely na « seau » kely ny rano mafana 200ml. Alefa ao manarak’izay ny vinaigitra fotsy 500ml sy ny liquide vaisselle 2 sotro fihinanana. Aroharohana hifangaro tsara.

Dingana 2 : esorina ny vovoka sy loto amin’ny « tapis » na « moquettes »

Matetika dia feno vovoka, fotaka sy loto samihafa ny « tapis » na « moquettes » ny fiara. Alohan’ny hanasana azy ireny dia mila esorina tao anaty fiara aloha izy ireo avy eo hakipakipaka hiala ny vovoka sy loto mipetraka aminy. Raha manana « aspirateur » dia ampandalovina ity fitaovana ity ireo « tapis » sy « moquettes » mba ho afaka tsara ireo loto.

Dingana 3 : sasana madio

Maka borosy misy mafy tsara ny volony (à poils rigides) ary atsoboka ao anatin’ilay vokatra fanadiovana namboarina teo. Kosehana tsara amin’io borosy io « tapis » sy ny « moquettes ». Tokony handroatra rehefa mikosoka azy mba hiala tsara ireo loto. Tsy mila kobanina fa fafana amin’ny « chiffon microfibres » madio. Rehefa maina dia averina apetraka ao anaty fiara.

Lire la suite

Articles Similaires