Fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza : Tafakatra 30 ireo namoy ny ainy
I Nombàna, tovovavy 17 taona, no mpamonjy anniversaire faha-30 namoy ny ainy.
Iray volana nitsaboana, efa tena mahavelom-panantenana ny fihatsarana tsikelikely, saingy namoy ny ainy omaly 17 jolay i Nombàna. Fahoriana tsy roa aman-tany amin'ireo ray aman-dreniny izao satria vao herinandro vitsy izay no nindaosin'ny fahafatesana ny anadahin'i Nombana, noho ity raharaha fanapoizinana ara-tsakafo ity ihany. "I Nombàna no nisy fihatsarana haingana be tamin'ireo niara-narary tao amin'ny hopitaly. Efa tonga saina, nanoratra hoe noana aho, hitan'ny mpitsabo hoe efa nihatsara kanjo dia izao lasa izao", araka ny fitantaran'ny rainy.
Mpamonjy fety 30 samy namoy ny ainy
Raha tsiahivina, ny alin'ny sabotsy 16 jona no nisy fety fankalazana tsingerintaona nahaterahana teny Ambohimalaza Imerikasinina. "Self-service" ny sakafo ka samy nandray izay nety taminy ny rehetra. Amin'ny ankapobeny nefa, samy nihinana kely tamin'ireo karazana tsakitsaky nisy ireo nasaina. Ny ampitson'io, alahady 16 jona, nanomboka ny fandehanana teny amin'ny toeram-pitsaboana ary efa nisy maty mihitsy. Nisesy taorian'izay ny fahafatesana. Nisy kosa nefa ireo voatsabo ihany ka nalefa nody raha misy ireo mbola manaraka fitsaboana.
Iray volana aty aoriana, mbola mitombo hatrany ny isan'ireo maty. Mbola misy marary vitsivitsy rahateo miady amin'ny fahafatesana. Manahy mafy araka izany ireo fianakaviana mikarakara marary eny amin'ny HJRA, satria toa "miandry fahafatesana fotsiny".
Fiala-nenina sy fanadihadihana
"Tokony hanala fanadinana bakalorea i Nombàna, tsy narary fa nirijarija tsara sady nanana ho avy mamiratra", hoy ny renin'i Nombana sy Onja, mpianadahy samy namoy ny ainy. "Resy tsy niady izahay na dia niala nenina aza. Nefa ny marina tsy mba maty. Maniry aho mba hisy ho velona ireo mbola tsaboina ireo mba hisy fanadihadiana marina", hoy ilay raim-pianakaviana.
Hatreto aloha, mbola manjavozavo tanteraka ny mikasika ity fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza ity. Miteraka resabe ny valin'ny "analyse" natao tany ivelany, ka samy nahitana fanehoan-kevitra na avy amin'ny dokotera teto an-toerana na avy amin'ireo orinasa fanaovan-gazety vahiny. Eo ihany koa ireo sary niparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera fa efa salama tsara ny tompon-danonanana. Andrasan'ireo fianakaviana niharam-boina nefa ny fanadihadihana mikasika azy. Etsy ankilany, andrasana ihany koa ny fitsarana ireo vehivavy 3 voatazona vonjimaika eny amin'ny fonjan'Antanimora. Nanambara moa ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny fitsarana fa hatao ampahibemaso sy azo hatrehin'ny rehetra ny fampiakarana azy ireo eo anatrehan'ny fampanoavana.