• Cours de change
  • 5077.28 AR
  • |
  • $4431.04 AR
Copyright Image : © Freepik
Image
Vaovao

Fihinankinanam-poana : Ny 5,3%-n’ny olon-dehibe eto Madagasikara no tratran’ny hatavezana tafahoatra

21/07/2025 15:08 © Moov.Mg

Marihina androany 21 jolay ny andro eran-tany iadiana amin’ny fihinankinanam-poana (malbouffe). Na tsy voaresaka firy aza izy ity eto Madagasikara, dia endrika iray isehoan’ny tsifanjariantsakafo ihany koa ny fihinanana sakafo tsy voalanjalanja, na amin’ny habetsany, na amin’ny singa entiny.

Ny atao hoe : « malbouffe », raha hazavaina tsotsotra, dia ireo sakafo mitondra kalôria betsaka, nefa tsy mitondra otrikaina ara-dalàna. Amin’ny ankapobeny dia ireo sakafo voahodina ara-indostrialy, be sira, be siramamy, be menaka ratsy, no voatondro amin’izany. Tsy mitondra soa ho an’ny fahasalamana ny fihianana ireo karazan-tsakafo ireo be loatra sy matetika loatra, satria mahatonga hatavezana tafahoatra. Tanjona amin’ny fametrahana ny andro maneran-tany iadiana amin’ny fihinankinanam-poana, noho izany, ny mba hanentanana ny rehetra hisaintsaina ny momba ny sakafo haniny.

Endrika tsifanjariantsakafo

Ho antsika eto Madagasikara dia tsy voaresaka matetika loatra ny fihinankinanam-poana, rehefa miresaka tsifanjariantsakafo, satria ny tsy fahampian-danja sy ny tsy fahampian-drefy vokatry ny tsy fahampian-tsakafo no tena misongadina eto amintsika. Mihamitombo hatrany anefa ny tahan’ny zaza sy olon-dehibe mihoatra lanja (en surpoids), na matavy tafahoatra (obèse) eto amintsika. Raha ny antontan’isa voarakitra ao anatin’ny Drafitra Nasionaly ho an’ny hetsika iraisana momba ny fanjariantsakafo andiany faha-4 (PNAMN 4), ho an’ny fe-potoana taona 2023-2026, dia ny 1,8% amin’ny zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara no mihoatra lanja. Eo amin’ny olon-dehibe dia tombanana ho ny 5,3% eto Madagasikara no tratran’ny hatavezana tafahoatra, raha toa ka mihoatra lanja avokoa ny 26,3% amin’ny vehivavy eo anelanela’ny 16 hatramin’ny 50 taona.

Araka izany, ny andro eran-tany iadiana amin’ny fihinankinanam-poana marihina androany, dia fotoana hampahatsiahivana ihany koa fa ilaina ny mihinana sakafo miovaova sy maroloko, mba hahafahana mahazo ny otrikaina rehetra mahasalama ny vatana sy ny saina. Ny sakafo mamy, masira sy be menaka loatra dia mety mitarika aretina isan-karazany, toy ny diabeta ary koa ny aretin’ny fo sy ny lalandra.

Lire la suite

Articles Similaires